2021
Ireo fitsipiky ny filazantsarako
Mey 2021


“Ireo fitsipiky ny filazantsarako,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriana Alahady tolakandro

Ireo fitsipiky ny filazantsarako (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:12)

Sombin-dahatsoratra

Sary
sambo

Sary avy amin’ny Getty Images

Ny fitsipika anankirain’ny filazantsara dia torolalana iray mifototra amin’ny fotopampianarana ho an’ny fampiharana ara-drariny ny safidin’ny saina amam-panahy. Ireo fitsipika dia avy amin’ireo fahamarinan’ny filazantsara mivelatra kokoa ary manolotra fitarihana sy fenitra arahina rehefa mibosesika mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika. …

Ny fianarana sy ny fahatakarana ary ny fiainana ireo fitsipiky ny filazantsara dia manamafy orina ny finoantsika ny Mpamonjy, sy mampahalalina ny fahafoizan-tenantsika ho Azy ary mampisy fitahiana maro dia maro sy fanomezam-pahasoavana ara-panahy tonga eo amin’ny fiainantsika. Ireo fitsipiky ny fahamarinana koa dia manampy antsika mba hijery mihoatra lavitra an’ireo zavatra tiantsika manokana sy ireo faniriantsika mifono fitiavan-tena amin’ny alalan’ny fanolorana ilay fomba fijery sarobidy an’ilay fahamarinana mandrakizay rehefa mamakivaky ireo toe-javatra iainana, ireo olana sy ireo fanapahan-kevitra ary ireo zavatra iainana mandritra ny fiainana an-tany isika. …

Rehefa nogadraina tao amin’ny Fonjan’i Liberty i Joseph Smith, dia nanoratra taratasy mifono fitarihana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana izy ary nampahatsiahy azy ireo “fa amin’ny fotoan’ny tafiotra, ny sambo iray tena lehibe dia tena mahita soa lehibe tokoa amin’ilay familiana bitika izay mihazona azy amin’ny lalany arakaraka ny rivotra sy ny onja” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:16].

Ny “familiana” dia fanoitram-panamoriana sy fitaovana miaraka amin’izany izay ampiasaina hamiliana sambo. Ary ilay hoe “mihazona azy amin’ny lalany arakaraka ny rivotra sy ny onja” dia entina ilazana hoe afaka mamily ilay sambo mba hampitombina azy tsara sy tsy hivadihany mandritra ny tafio-drivotra.

Ireo fitsipiky ny filazantsara ho ahy sy ho anao dia toy ny familiana ho an’ny sambo iray. Ireo fitsipika marina dia manome fahafahana antsika hahita ny lalantsika sy hijoro ho mafy orina sy tsy ho azo hozongozonina mba tsy hampitongilangilana antsika ka hianjera ao anatin’ny tafiotry ny haizina sy ny fisafotofotoana amin’izao andro farany izao.

Hamoaka printy