2021
Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy
Mey 2021


“Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriana sabotsy maraina

Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy

Sombin-dahatsoratra

Sary
tempoly

Tempolin’i Durban, Afrika Atsimo.

Fantatro fa ireo tempolin’ny Tompo dia toerana masina. Ny tanjoko amin’ny firesahana mikasika ny tempoly androany dia ny mba hampitomboana ny fanirianao sy ny ahy ho mendrika sy ho vonona amin’ireo fahafahana maro hahazoana ireo traikefan’ny tempoly izay ho tonga amintsika. …

Raha toa izaho na ianao ka tsy madio tsara rehefa mankany amin’ny tempoly, dia tsy ho afaka ny hahita ny fampianarana ara-panahy mikasika ny Mpamonjy, izay raisintsika any amin’ ny tempoly amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Rehefa mendrika ny handray izany fampianarana izany isika dia afaka hitombo amin’ny alalan’ny traikefantsika ao amin’ny tempoly ny fanantenana sy ny fifaliana ary ny fananana fijery tsara mandritra ny androm-piainantsika. Izany fanantenana sy fifaliana ary fijery tsara izany dia tsy ho azontsika raha tsy amin’ny alalan’ireo ôrdônansy tanterahina ao amin’ny tempoly masina irery ihany. Ao amin’ny tempoly no ahafahantsika mahazo antoka ny amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana mifono fitiavana izay hitohy aorian’ny fahafatesana sy haharitra mandrakizay. …

Ary fantatsika fa ny fahasambarantsika mandrakizay dia miankina amin’izay tsara indrindra vitantsika amin’ny fanomezana izany fahasambarana maharitra izany ho an’ireo havantsika maro arak’izay vitantsika. …

Mahatsapa faniriana ny hahomby tahaka izany aho amin’ny fanasana ireo olona velona ao anatin’ny fianakaviana ny ho mendrika ny handray sy hanaja ireo ôrdônansin’ny famehezana ao amin’ny tempoly. Izany no ampahany ao anatin’ny fampanantenana ny amin’ny fanangonana an’i Isiraely eo amin’ny lafy roan’ny voaly amin’izao andro farany izao.

Hamoaka printy