2021
Eo anivontsika Andriamanitra
Mey 2021


“Eo anivontsika Andriamanitra,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriana alahady maraina

Eo anivontsika Andriamanitra

Sombin-dahatsoratra

Sary
Jesoa Kristy

Rehefa mahatsapa tena ho tsinontsinona, sy voailika ary hadino isika, dia mianatra isika fa afaka mahazo toky fa tsy nanadino antsika Andriamanitra; raha ny marina dia manome ireo zanany rehetra zavatra tsy hain’ny saina takarina Izy: dia ny ho lasa “sady mpandova an’ Andriamanitra, no mpiray lova amin’i Kristy” [Romana 8:17]. …

Noho i Jesoa Kristy, dia tsy voatery hamaritra antsika ireo tsy fahombiazantsika. Afaka manefy antsika izy ireny. …

Raha mibebaka isika dia tsy manala antsika an-daharana ny fahadisoana vitantsika. Ao anatin’ny fivoarantsika izy ireny. …

Matetika aho no nanontany tena hoe: Inona re no ho nampianarin’i Jesoa ary inona no ho nataony raha teto anivontsika Izy ankehitriny? …

Satria ny Mpamonjy dia mampianatra fahamarinana mandrakizay sy tsy miova. Miantefa amin’ny olona ao anatin’ny sokajin-taona sy ny toe-java-misy rehetra izany.

Ny hafany dia hafatra nitondra sy mitondra fanantenana ary fiombonana—fijoroana ho vavolombelona fa Andriamanitra Raintsika any An-danitra dia tsy nandao ireo zanany.

Fa eo anivontsika Andriamanitra! …

Rehefa mikatsaka ny hanaraka an’i Jesoa Kristy isika sy mandeha eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra, fitsipika anampy fitsipika, dia ho avy ilay andro izay hiainantsika ilay fanomezana tsy takatry ny saina amin’ny fandraisana ny fahafenoan’ny fifaliana. …

Atolotro anareo ny fitiavako sy ny tsodranoko amin’ity vanim-potoan’ny Paska feno fifaliana ity. Sokafy ho an’ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika ny fonareo, na inona na inona toe-javatra iainanareo, fitsapana, fahoriana, na hadisoana nataonareo, dia afaka ny hahafantatra ianareo fa velona Izy, tia anareo Izy, ary noho Izy dia tsy ho irery na oviana na oviana ianareo.

Eo anivontsika Andriamanitra.

Hamoaka printy