2021
Hitsodrano amin’ny anarany
Mey 2021


“Hitsodrano amin’ny anarany,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriamben’ny Fisoronana

Hitsodrano amin’ny anarany

Sombin-dahatsoratra

Sary
ankizilahy mizara ny fanasan’ny Tompo

Ny tanjon’ny fandraisantsika ny fisoronana dia ny hahafahantsika misolo tena ny Tompo amin’ny fitahiana ny olona sy manao izany amin’ny anarany.

Taona maro taorian’ny naha-diakona ahy no nianarako ny dikan’ izany rehefa ampiharina. Ohatra, amin’ny maha-mpisorona avo ahy dia notendrena aho hitsidika ny fivoriana fanasan’ny Tompo tany amin’ny toerana iray fitaizana be antitra. Nasaina nizara ny fanasan’ny Tompo aho. Tsy nieritreritra ireo dingana sy lamina mirindra amin’ny fizarako ny fanasan’ny Tompo intsony aho fa nibanjina ny tarehin’ireo zokiolona tsirairay. Nahita ny maro tamin’izy ireo nitomany aho. Nisy ramatoa iray nisambotra ny moron’ny tanan’akanjoko, nitraka nibanjina ahy sady niteny mafy hoe: “Misaotra re, misaotra.”

Nitahy ny asa fanompoana nataoko ny Tompo, asa fanompoana izay natao tamin’ny anarany. Tamin’io andro io aho dia nivavaka mba hahatongavan’ny fahagagana toy izany fa tsy nivavaka ny amin’ny fomba tsara ahafahako manatontosa ny anjarako. Nivavaka aho mba hahatsapan’ny olona ny fitiavan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny asa fanompoana nataoko tamim-pitiavana. Nianatra aho fa izany no lafiny manan-danja indrindra amin’ny fanompoana sy fitahiana ny hafa amin’ny anarany. …

Mino aho fa afaka milofo amin’ ny asa fanompoantsika ao amin’ ny fisoronana isika mandritra ny androm-piainantsika ary angamba any ankoatry ny fahafatesana. Izany dia miankina amin’ny zoto ananantsika amin’ny fiezahana hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo sy ireo ezaka ataontsika hihainoana ny feony mba hahafahantsika mahafantatra tsaratsara kokoa izay faniriany ho an’ilay olona tompointsika ho Azy. Mandeha tsikelikely izany filofosana izany. Mety handeha miadana izany saingy hisy izany.

Hamoaka printy