2021
Ny dia manokana eo amin’ny fiainana ataon’ny zanak’ Andriamanitra iray
Mey 2021


“Ny dia manokana eo amin’ny fiainana ataon’ny zanak’ Andriamanitra iray,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriana sabotsy tolakandro

Ny dia manokana eo amin’ny fiainana ataon’ny zanak’ Andriamanitra iray

Sombin-dahatsoratra

Sary
zazakely

Ny olona tsirairay tonga eto an-tany dia zanakalahy na zanakavavin’ Andriamanitra iray miavaka. Tsy nanomboka teo amin’ ny fahaterahana ny diantsika manokana eo amin’ny fiainana. Talohan’ny nahaterahantsika dia niaraka tao amin’ny tontolo fiomanana iray isika, izay “[nandraisantsika ny lesontsika] voalohany tao amin’ny tontolon’ny fanahy” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:56]. …

Amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra nanao fanekempihavanana antsika dia tia, manaja, mikolokolo, miaro, ary mandray ireo fanahy izay tonga avy any amin’ny tontolon’ny fiainana talohan’ny nahaterahana isika. …

Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia niresaka [fa] “Ny fanalan-jaza dia ratsy … izay mamely mafy ny tany.”

… Andao isika hizara ny fahatsapana lalina ananantsika momba ny fahamasinan’ny aina amin’ireo izay mandray fanapahan-kevitra eo amin’ny fiarahamonina. Mety tsy hankasitraka tanteraka ny zavatra inoantsika izy ireo, kanefa mivavaka isika mba hahatakaran’izy ireo kokoa ny antony mahatonga ireo fanapahan-kevitra ireo ho zavatra lehibe kokoa mihoatra ny zavatra tian’ny olona iray eo amin’ny fiainany manokana, araka ny fijerintsika azy. …

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny dianao manokana eo amin’ny fiainana amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra anao dia tsy nanomboka ho anao tamin’ny fotoana voalohany nifohanao rivotra nankany amin’ny avokavokao ary tsy hifarana amin’ny fotoana hahafatesanao.

Enga anie isika ka hahatsiaro mandrakariva fa tonga eto an-tany ny fanahy zanak’ Andriamanitra tsirairay mba hanao ny diany manokana eo amin’ny fiainany. Enga anie isika handray tsara azy ireny, hiaro azy ireny, ary ho tia azy ireny mandrakariva. Rehefa mandray ireo zanaka sarobidy ireo amin’ny anaran’ny Mpamonjy ianareo ary manampy azy ireo amin’ny dia ataony eo amin’ny fiainany mandrakizay, dia mampanantena anareo aho fa hitahy anareo ny Tompo ary hampitobaka ny fitiavany sy ny fankatoavany eo aminareo.

Hamoaka printy