2021
Miaro ny lalàmpanorenantsika izay nomen’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra
Mey 2021


“Miaro ny lalàmpanorenantsika izay nomen’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriana alahady tolakandro

Miaro ny lalàmpanorenantsika izay nomen’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra

Sombin-dahatsoratra

Sary
penina, boky, ary horonan-taratasy

Amin’izao fotoan-tsarotra izao dia mahatsapa ny tokony hiresahana momba ny Lalàmpanorenan’i Etazonia izay azo tamin’ny tsindrimandry aho. Izany Lalàmpanorenana izany dia manan-danja manokana ho an’ireo mpikambana aty Etazonia, saingy izy io anefa dia lova itambaran’ireo lalàmpanorenana manerana izao tontolo izao ihany koa. …

Ny finoantsika ny fahazoana tsindrimandry avy amin’ Andriamanitra dia manome ny Olomasin’ny Andro Farany ny andraikitra hanohana sy hiaro ny Lalàmpanorenan’i Etazonia sy ireo fitsipika momba ny lalàmpanorenana na aiza na aiza misy antsika. Tokony hatoky ny Tompo sy mijery ny lafitsaran-javatra momba ny hoavin’ ity firenena ity isika.

Inona koa no tokony hataon’ny Olomasin’ny Andro Farany mahatoky? Tsy maintsy mivavaka amin’ny Tompo mba hitarika sy hitahy ireo firenena sy ny mpitarika ao amin’izy ireo isika. Ao anatin’ny fanekem-pinoantsika izany. Mazava ho azy fa ny fanoavana filoha sy mpanapaka dia tsy sakana amin’ ny tsy faneken’olon-tokana lalàna na fenitra arahina. Mitaky antsika mba hampihatra ny fitaomantsika amim-pahalalam-pomba sy am-pilaminana izany, araka ny rafitra sy lamina napetraky ny lalàmpanorenantsika sy ireo lalàna mipetraka. Eo anatrehan’ireo olana tsy mampifanaiky dia tokony hikatsaka ny handravona sy hampiray hina isika.

Misy ihany koa ireo adidy hafa izay ao anatin’ny fanohanana ilay Lalàmpanorenana azo avy amin’ny tsindrimandry. Tokony hianatra sy hiaro ireo fitsipika nentanim-panahy ao amin’ilay Lalàmpanorenana isika. Tokony hitady sy hanohana ireo olona hendry sy tsara izay hanohana ireo fitsipika ireo amin’ny asa mivantana ataon’izy ireo isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:10). Tokony ho olom-pirenena manam-pahalalana mavitrika amin’ny ezaka hahatsapana ny fitaomantsika ao amin’ireo raharaha sivily isika.

Hamoaka printy