2021
Tsy manam-pandresena ny fasana
Mey 2021


“Tsy manam-pandresena ny fasana,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriana alahady maraina

Tsy manam-pandresena ny fasana

Sombin-dahatsoratra

Sary
Jesoa Kristy

Hisy fotoana eo amin’ny fiainantsika hahatsapantsika ho vaky fo rehefa mamoy olona iray tena akaikin’ny fontsika isika. Maro tamintsika no namoy olona akaikin’ny fontsika nandritra ity valanaretina mipaka eran-tany ity—na olona ao amin’ny fianakaviana izany na namana. Mivavaka ho an’ireo izay miaina fahoriana toy izany isika. …

Azontsika sary an-tsaina ny tsapan’ireo naman’i Jesoa, izay nanaraka Azy sy nanompo Azy, rehefa nanatri-maso ny nahafatesany. Fantatsika fa “nisaona sy nitomany” izy ireo [Marka 16:10]. …

… Fony aho sivy taona dia namoy ny zokiko lahy nandritra ny horohorontany iray nandravarava. Satria tsy nampoizina ny nitrangan’izany dia ela be aho vao tonga saina tamin’ny zavatra tena nitranga. Vaky fo noho ny alahelo aho, ary nanontany tena hoe: “Inona no nitranga tamin’ny anadahiko? Aiza no misy azy? Lasa aiza izy? Mbola hahita azy indray ve aho?” …

Teo amin’ny 40 taona taty aoriana, nandritra ny vanimpotoan’ ny Paska, teo am-pandalinana momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty aho ka nanomboka nieritreritra momba ny anadahiko. …

Tsapako tamin’izay fa nanome fampiononana ho ahy ny Fanahy nandritra ny fotoan-tsarotra iray. Nahazo tenivavolombelona aho fa tsy maty ny fanahin’ny anadahiko, velona izy. Mbola mivoatra ao anatin’ny fisiany mandrakizay izy. Fantatro izao fa “hitsangana ny anadahi[ko]” [Jaona 11:23] amin’ilay fotoana mahatalanjona izay hitsanganantsika rehetra amin’ny maty, noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.

Hamoaka printy