2021
Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy
Mey 2021


“Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriana alahady maraina

Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy

Sombin-dahatsoratra

Sary
Jesoa Kristy

Ny finoana an’i Jesoa Kristy no fototry ny finoana rehetra sy fantsona hahazoana ny herin’ Andriamanitra. …

Izay zavatra tsara rehetra eo amin’ ny fiainana, izany hoe ny fitahiana manana lanja mandrakizay rehetra, dia manomboka amin’ny finoana. Ny famelana an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika dia manomboka amin’ny finoana fa Izy dia vonona ny hitarika antsika. …

Ry rahalahy sy anabavy malalako, ny antso ataoko aminareo amin’izao marainan’ny Paska izao dia ny hampitombo ny finoanareo manomboka anio. Amin’ny alalan’ny finoanareo, i Jesoa Kristy dia hampitombo ny fahafahanareo mamindra ireo tendrombohitra eo amin’ny fiainanareo. …

Mety ho fanirery, na ahiahy, na aretina na olan’ny tena manokana hafa ireo tendrombohitrareo. Hiovaova ireo tendrombohitrareo, saingy ny valiny tsirairay tandrify ireo olanareo dia natao hampitombo ny finoanareo. …

… Mamelà ahy hanolotra sosokevitra dimy hanampiana anao hanana izany finoana sy fahatokiana izany.

Voalohany, mandalina. …

Faharoa, misafidiana ny hino an’i Jesoa Kristy. …

Fahatelo, manaova asa am-pinoana. …

Fahefatra, mandraisa anjara amin’ ireo ôrdônansy masina amim-pahamendrehana. …

Ary fahadimy, mangataha fanampiana amin’ny Rainao any An-danitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. …

Ny finoana an’i Jesoa Kristy no hery lehibe indrindra omena antsika eto amin’ity fiainana ity. Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino [jereo ny Marka 9:23].

Ny finoanao tsy mitsaha-mitombo Azy dia hamindra tendrombohitra, tsy tendrombohitra vatolampy izay manatsara ny tany, fa ireo tendrombohitry ny fahoriana eo amin’ny fiainanao. Ny finoanao tsy mitsaha-mandrombona dia hanampy anao hanova ireo olana ho zary fivoarana sy fahafahana tsy misy toa azy.

Amin’izao alahadin’ny Paska izao dia miarahaba anareo indray aho omban’ny fahatsapana fitiavana sy fankasitrahana lalina: “Nitsangana i Kristy.” Nitsangana Izy mba hitarika ny Fiangonany. Nitsangana Izy mba hitahy ny fiainan’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra na aiza na aiza onenan’izy ireo. Miaraka amin’ny finoana Azy, isika dia afaka ny hamindra ireo tendrombohitra eo amin’ny fiainantsika.

Hamoaka printy