2021
Tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao
Mey 2021


“Tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriana sabotsy tolakandro

Tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao

Sombin-dahatsoratra

Sary
I Jesoa Kristy Mpiandry Ondry Tsara

Herisetra sy ady no ho anisan’ny hampiavaka ireo fifandraisana amin’ny andro farany. …

Ry rahalahy sy ranabavy, be loatra ny ady sy fahatezerana ary tsy fahalalam-pomba hita manodidina antsika. …

… Koa amin’izao Paska izao, andeha isika hiezaka hiaina fiadanana amin’ny fomba manokana, hampihatra ny fahasoavan’ilay Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo sy ny balsama manasitrana ho eo amintsika sy ny fianakaviantsika sy ireo rehetra izay azontsika tratrarina manodidina antsika.

… Ilaintsika ilay antsoin’ny soratra masina hoe “ny herin’ny lanitra,” ary mba hahafahana mampiasa izany hery izany dia tsy maintsy isika miaina araka ilay antsoin’io soratra masina io ihany hoe “fitsipiky ny fahamarinana” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36]. …

… Ireo fitsipiky ny fahamarinana dia ahitana ireo toetra tsara tahaka ny faharetana, sy ny fahari-po, sy ny hatsaram-panahy ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy. Raha tsy eo ireo fitsipika ireo dia azo antoka fa tsy maintsy ho niaina disadisa sy fifandrafiana isika. …

Paska rahampitso, fotoana iray ahafahan’ireo fitsipika marin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany hanampy antsika handresy ny disadisa sy ny fifandirana, ny fahakiviana sy ny fandikan-dalàna, ary amin’ny farany, handresy ny fahafatesana. …

Na dia teo aza ny famitahana sy ny fanaintainana, ny fampijaliana sy ny habibiana, ary teo am-pizakana ny fahotana sy fahoriana rehetra nitambatra vitan’ny fianakaviam-ben’ny zanak’olombelona, dia afaka nitazana ilay fizotran’ny fiainana an-tany ilay Zanaka velon’ilay Andriamanitra velona, ka nahatazana antsika amin’izao faran’ny herinandro izao ary niteny hoe: “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo” [Jaona 14:27]. Mirary Paska feno fitahiana sy fahasambarana ary fiadanana ho anareo.

Hamoaka printy