2021
Eveka—Mpiandry ny andian’ondrin’ny Tompo
Mey 2021


“Eveka—Mpiandry ny andian’ondrin’ny Tompo,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriamben’ny Fisoronana

Eveka—Mpiandry ny andian’ondrin’ny Tompo

Sombin-dahatsoratra

Sary
tanana mifandray

Ny eveka dia manana anjara asa lehibe dia lehibe amin’ny maha-mpiandry ondry azy ny hitarika ny taranaka vao misondrotra, tafiditra ao anatin’izany ny tanora tokan-tena, hankany amin’i Jesoa Kristy. …

Mety hanontany ianao hoe: “Nahoana ny episkôpà no asaina manokana fotoana be dia be toy izany iarahana amin’ny zatovo?” Nandrafitra ny Fiangonany ny Tompo mba hanatanterahana ireo laharam-pahamehana izay tena manan-danja. Araka izany, ilay rafitry ny Fiangonany dia manana lamina izay ahitana ny eveka misahana andraikitra anankiroa. Manana andraikitra ara-potopampianarana eo anatrehan’ny paroasy iray manontolo izy, saingy manana andraikitra ara-potopampianarana manokana koa izy eo anatrehan’ny kôlejin’ny mpisorona. …

Maro aminareo ry zatovo sarobidy no mety tsy mahita mazava hoe iza ianareo ary afaka ny ho tonga inona. Kanefa mbola eo an-tokonan’ireo fanapahan-kevitra manan-danja izay horaisinareo eo amin’ny fiainanareo ianareo. Aoka ianareo sady hiresaka amin’ny ray aman-dreninareo no hiresaka amin’ny evekanareo mikasika ireo safidy manan-danja eo anoloanareo. Avelao ny eveka ho namanareo sy mpanolotsaina anareo.

Fantatray fa mifanehatra amin’ny fitsapana sy fakam-panahy ianareo na aiza na aiza. Mila mibebaka isan’andro isika araka ny nampianarin’ny Filoha Nelson. Resaho amin’ny evekanao izay mety ho toe-javatra azon’ny mpitsara tsotra hitondrana fanampiana anao mba handaminana ny fiainanao hifanaraka amin’ny sitrapon’ny Tompo mba hiomanana amin’ilay “asa lehibe” hampiandraiketany anao amin’izao fotoampitantanana farany izao. Araka ny efa nanasan’ny Filoha Nelson anao, dia aoka ianao ho mendrika ny ho anisan’ilay tafiky ny tanoran’ny Tompo!

Hamoaka printy