2021
Fifanakalozan-kevitra manan-danja
Mey 2021


“Fifanakalozan-kevitra manan-danja,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriana alahady maraina

Fifanakalozan-kevitra manan-danja

Sombin-dahatsoratra

Sary
zatovovavy misakambina zatovovavy iray hafa

Tsy afaka miandry izay hitrangan’ny fiovam-po eo amin’ny zanatsika fotsiny isika. Ny fiovam-po kisendrasendra dia tsy fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tsy hitranga ho azy fotsiny izany fahatongavana tahaka ny Mpamonjintsika izany. Ny fitiavana sy ny fampianarana ary ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny nahim-po dia afaka manampy ny zanaka hanomboka hahatsapa ny fitarihan’ny Fanahy Masina dieny mbola kely. Ny Fanahy Masina dia zava-dehibe ho an’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo zanantsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny fiovam-pon’izy ireo ho Azy. …

Eritrereto ny lanjan’ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny fianakaviana momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, fifanakalozan-kevitra manan-danja izay afaka manasa ny Fanahy. Rehefa miara-manao fifanakalozan-kevitra toy izany amin’ny zanatsika isika dia manampy azy ireo hanorina fototra “izay fototra azo antoka, dia fototra izay tsy ahafaha[n’izy ireo] mianjera raha miorina eo amboniny” [Helamana 5:12].

Ireny fifanakalozan-kevitra manan-danja ireny dia afaka mitarika ny zanaka:

  • Hahatakatra ny fotopampianaran’ny fibebahana.

  • Hanam-pinoana an’i Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra velona.

  • Hisafidy ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina rehefa feno valo taona.

  • Ary hivavaka sy “handeha araka ny hitsiny eo anoloan’ny Tompo” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:28]. …

Rehefa mianatra sy mivoatra ny ankizy dia hosedraina ny finoan’izy ireo. Fa noho izy ireo efa ampy fiarovana dia afaka mitombo finoana sy herimpo ary fahatokian-tena izy ireo na dia eo anivon’ny fanoherana mahery vaika aza.

Nampianatra antsika i Almà “hanomana ny sain’ny [zanaka]” [Almà 39:16]. Manomana ny taranaka vao misondrotra isika mba ho mpiaro ny finoana amin’ny ho avy, mba hahatakatra “fa afaka manao araka ny sitrapo[ny izy ireo]—na hifidy ny lalan’ny fahafatesana mandrakizay na ny lalan’ny fiainana mandrakizay” [2 Nefia 10:23]. Mendrika ny hahatakatra ity fahamarinana lehibe ity ny zanaka: ny momba ny mandrakizay no tsy tokony hahadiso hevitra antsika mihitsy.

Enga anie ny fifanakalozan-kevitra tsotra kanefa manan-danja ataontsika amin’ireo zanatsika hanampy azy ireo “hankamamy ny tenin’ ny fiainana mandrakizay” amin’izao fotoana izao, mba hahafahan’izy ireo mahazo ny “fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy, dia voninahitra tsy mety maty” [Mosesy 6:59; nampiana fanamafisana].

Hamoaka printy