2021
Ny zavatra ianarantsika ka tsy ho hadinontsika mandrakizay
Mey 2021


“Ny zavatra ianarantsika ka tsy ho hadinontsika mandrakizay,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriamben’ny Fisoronana

Ny zavatra ianarantsika ka tsy ho hadinontsika mandrakizay

Sombin-dahatsoratra

Sary
lanitra

Tamin’ny aprily 2019 isika no nanatanteraka fivoriamben’ny fisoronana farany. Betsaka ny zavatra nitranga tao anatin’izay roa taona lasa izay! …

… Mamelà ahy hanolotra lesona efatra izay antenaiko fa nianarantsika rehetra ary tsy ho hadinontsika mandrakizay.

Lesona 1: Ny tokantrano no ivon-toeran’ny finoana sy ny fitsaohana …

… Mbola hifarana ireo famerana ankehitriny amin’ny fivoriana. Fa ny fanoloran-tenanareo hanao ny tokantranonareo ho fitoerana fototra iorenan’ny finoana kosa anefa dia tsy tokony hifarana na oviana na oviana. …

Lesona 2: Mila mifanampy isika

… Afaka mahavita zavatra betsaka lavitra tokoa isika rehefa miaraka toy izay rehefa irery. Tsy handeha ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana raha toa ka mitsitokatokana ireo zanany. …

Raha mahafantatra olona manirery ianao, dia ampio izy, na dia manirery koa aza ianao! …

Lesona 3: Ny kôlejin’ny fisoronana izay misy anao dia tsy natao hivoriana fotsiny

… Ny fivoriana dia ampahany kely fotsiny amin’ny antony isian’ny kôlejy sy ny zavatra azony atao.

… Manana toerana manokana ny kôlejy hanafaingana ny fanangonana an’ Isiraely eo amin’ny lafiny roa amin’ny voaly.

Lesona 4: Maheno kokoa an’i Jesoa Kristy isika rehefa tony

… Hitombo hatrany hatrany ny savorovoro eto an-tany. Mifanohitra amin’izany, ny feon’ny Tompo … “dia feo malefaka sy tony tanteraka miova tsy ny bitsika iray, ary izany dia mandoaka na dia hatrany amin’ny aty fanahy aza” [Helamàna 5:30]. Mba hahafahana mahare io feo tony io, dia mila tony ihany koa ianao! …

Ry rahalahiko malala, betsaka ireo zavatra tian’ny Tompo hianarantsika avy amin’ireo zavatra niainana nandritra ity valanaretina ity. Efatra fotsiny no notanisaiko. Manasa anareo aho mba hanao lisitra anareo manokana, sy handinika tsara izany, ary hizara izany amin’ireo izay tianareo.

Hamoaka printy