2021
Zavatra tsy rariny mahasendaotra
Mey 2021


“Zavatra tsy rariny mahasendaotra,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriana sabotsy tolakandro

Zavatra tsy rariny mahasendaotra

Sombin-dahatsoratra

Sary
Jesoa Kristy

Toa tsy mifanaraka amin’ny fisian’ny Ray any An-danitra tsara fanahy sy be fitiavana ny fisian’ny zavatra tsy rariny. Kanefa tena misy Izy, ary tsara fanahy sy tia ny zanany tsirairay amin’ny fomba tonga lafatra. …

Tsy hay hazavaina ny zavatra tsy ara-drariny sasany. Mahasendaotra ny zavatra tsy ara-drariny tsy hay hazavaina. … Tsy maintsy itrangan-javatra tsy ara-drariny ny fiainana an-tany. …

Manambara amin’ny foko mangoraka manontolo aho fa i Jesoa Kristy dia sady mahatakatra ny tsy rariny no manana ny hery hanomezana ny fanafodiny. … Takany tsara ny zavatra iainantsika. …

… Any amin’ny mandrakizay dia hovahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy daholo ny tsy rariny rehetra. Rariny loatra raha tiantsika ho fantatra hoe amin’ny fomba ahoana sy rahoviana izany. Amin’ny fomba ahoana no hanaovan’Izy ireo izany? Rahoviana Izy ireo no hanao izany? Raha ny fahalalako azy dia tsy mbola nambaran’Izy ireo hoe amin’ny fomba ahoana na rahoviana. Fa ny fantatro dia hoe hataon’Izy ireo izany. …

Azontsika atao ny miezaka mihazona ho amin’ny manaraka aloha ny fanontaniantsika momba ny hoe amin’ny fomba ahoana sy rahoviana ka hifantoka amin’ny fampiroboroboana ny finoana an’i Jesoa Kristy. …

Rehefa mampiroborobo finoana an’i Jesoa Kristy isika dia tokony hiezaka ihany koa ho lasa tahaka Azy. Dia handray ny hafa amim-pangorahana isika avy eo ary hiezaka hanaisotra ny tsy rariny rehefa mahita izany. …

Aza avela hanenjana anao, na hanimba ny finoanao an’ Andriamanitra ny zavatra tsy ara-drariny. Fa mangataha fanampiana amin’ Andriamanitra. Ampitomboy ny fankasitrahanao ny Mpamonjy sy ny fianteheranao Aminy. …

… Hitondra valisoa mihoatra noho izay azonao eritreretina ny finoanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Hatokana ho tombontsoanao izay zavatra tsy rariny rehetra, indrindra fa ireo zavatra tsy rariny mahasendoatra.

Hamoaka printy