2021
Ny COVID-19 sy ny tempoly
Mey 2021


“Ny COVID-19 sy ny tempoly,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriana alahady tolakandro

Ny COVID-19 sy ny tempoly

Sombin-dahatsoratra

Sary
tempoly

Tamin’ny voalohandohan’ny taon-dasa, noho ny valanaretina COVID-19 sy ny faniriana mba ho olom-pirenena vanona maneran-tany, dia nandray ny fanapahan-kevitra sarotra izahay ny hanakatona amin’ny fotoana voafetra ny tempoly rehetra. Nandritra ireo volana taorian’izay dia nentanim-panahy izahay ny tokony hanokafana tsikelikely indray ireo tempoly, ka tena itandremana tsara ny fomba anaovana izany. Amin’izao ireo tempoly dia eo an-dalam-pisokafana ao anatin’ny dingana efatra, izay mifanaraka tanteraka amin’ireo fepetra sy lamina fiarovana apetrak’ireo fitondram-panjakana ao an-toerana. …

Feno fankasitrahana izahay noho ny faharetanareo sy ny asa fanompoana feno fanolorantena ataonareo mandritra izao fotoana feno fanovana sy fanamby izao. Mivavaka aho mba hiredareda mafy mihoatra noho ny hatramin’izay ny fanirianareo hitsaoka sy hanompo any amin’ny tempoly amin’izao.

Mety hanontany tena ianareo hoe oviana no afaka hiverina any amin’ ny tempoly indray? Valiny: Hisokatra indray ny tempoly misy anareo rehefa mamela izany ireo fepetra napetraky ny fitondram-panjakana any an-toerana. …

Eo am-panaovana izany dia hazony tsara ao an-tsainareo sy ao am-ponareo ireo fanekempihavanana sy tsodranon’ny tempoly. Mijanòna ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana nataonareo.

Manorina ny hoavy isika ankehitriny! …

Te hitondra ny tranon’ny Tompo akaiky kokoa hatrany ny mpikambana ato amintsika izahay, mba ahazoan’izy ireo ny tombontsoa masina ny handeha any amin’ny tempoly matetika araka izay tratran’izy ireo. …

Ny tempoly dia mitana anjara toerana lehibe ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny fahafenoany. Ireo ôrdônansin’ny tempoly dia mameno ny fiainantsika amin’ny hery sy tanjaka izay tsy azo amin’ny fomba hafa. Isaorana anie Andriamanitra noho ireo fitahiana ireo.

Hamoaka printy