2021
Afaka manangona an’i Isiraely ianao!
Mey 2021


“Afaka manangona an’i Isiraely ianao!,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriamben’ny Fisoronana

Afaka manangona an’i Isiraely ianao!

Sombin-dahatsoratra

Sary
zatovo mianika tendrombohitra

Efa ho telo taona lasa izay dia nanasa ireo zatovo rehetra ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny Filoha Russell M. Nelson “mba hirotsaka ao amin’ny tafiky ny zatovon’ny Tompo ho fanangonana an’i Isiraely” eo amin’ny lafy roan’ny voaly. Hoy izy: “Izany fanangonana izany no zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao” [“Hope of Israel” (worldwide youth devotional, June 3, 2018), 8, HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org]. Tena azoko antoka tanteraka fa vitanareo zatovo ny manao izany, ary manao izany tsara, satria noho ny (1) zavatra iray mifandray amin’ny maha-izy anareo ary (2) noho ny hery goavana iray ao anatinareo. …

… Araka ny bokin’ny Apokalypsy dia “nisy ady tany an-danitra”! [Apokalypsy 12:7–8]. Namitaka ny ampahatelony tamin’ireo fanahy zanaky ny Ray any An-danitra tamin-kafetsena i Satana mba hamelana azy hanjaka amin’ny toeran’ Andriamanitra. Fa tsy anisany ianao! Ny Apôstôly Jaona dia nahita fa nandresy an’i Satana ianao tamin’ny “teny filazana Azy.” [Apokalypsy 12:11].

… Ny fahafantaranao fa nandresy an’i Satana ianao taloha tamin’ny alalan’ny tenin’ny fijoroanao ho vavolombelona ianao dia hanampy anao hitia sy hizara ary hanasa anio ary mandrakizay, hanasa ireo hafa ho avy sy hizaha, ho avy sy hanamby ary ho avy sy hiombona, raha mbola mamely mafy izany ady ho an’ny fanahin’ireo zanak’ Andriamanitra izany. …

Ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo dia fitaovana ara-paminaniana hanampiana anareo zatovo hamelona ilay finoanareo lehibe. … Rehefa mitarika ianareo zatovo, mitarika eo amin’ny fiainana ny filazantsara, ny fikarakarana ny hafa, ny fanasana ny rehetra handray ny filazantsara, ny fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay ary ny fandrindrana fiaraha-mientana mahafinaritra, dia hipoitra indray ilay finoanareo lehibe an’i Kristy izay nanananareo nandritra ny fiainana talohan’ny nahaterahana ary hanome hery anareo hanaovanareo ny asan’ny Tompo eto amin’ity fiainana ity!

Hamoaka printy