2021
Fo mifamihina
Mey 2021


“Fo mifamihina,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriana

Fo mifamihina

Sombin-dahatsoratra

Sary
efijerina smartphone

Rehefa nanontaniana ny Mpamonjy hoe: “Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe … ?” dia namaly hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra” sy hoe “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” [Matio 22:36–39]. Manamafy ny adidintsika amin’ Andriamanitra ny valin-tenin’ny Mpamonjy. Nandidy ny mpaminany fahiny iray mba “tsy hisian’ny fifandirana eo amin[tsika samy isika], fa ny hibanjinan[tsika] kosa ny ho avy … manana ny fon[tsika] mifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavan[tsika samy isika]” [Môzià 18:21, nampiana fanamafisana]. …

Ho anareo zatovolahy sy zatovovavy indray izao. Rehefa mihalehibe ianareo dia mety ho lasa mampidi-doza ny fihomehezana ny hafa. Tahotra, alahelo lalina, ary ny ratsy kokoa noho izany aza no vokatry ny fihetraketrahana. …

Miharihary fa mampiasa izany ilay fahavalo mba hanimbana ny taranaka misy anareo. Tsy tokony hisy toerana ho an’izany ao amin’ny sehatry ny internet misy anareo, ny fiarahamonina misy anareo, any am-pianaranareo, ny kôlejinareo na ny kilasinareo. Miangavy aho, ataovy izay rehetra azonareo atao mba hahatonga ireo toerana ireo ho toerana feno hatsaram-panahy kokoa sy hieren-doza kokoa. …

… Rehefa mifanerasera amin’ny olona amin-katsaram-panahy, sy fahamoram-po, ary fangorahana ianao, eny na dia amin’ny alalan’ny fitaovana nomerika aza, dia mampanantena anao aho fa hanatanjaka tanana miraviravy ianao, ary hanasitrana fo. …

’Ndeha isika tsirairay avy, na firy taona na firy taona, hiezaka ny ho ilay olona tsara indrindra azontsika ahatongavana.

Rehefa miezaka mifanerasera amin’ny hafa amim-pitiavana sy amim-panajana, ary amin-katsaram-panahy ianao dia tsy azo ialana fa ho tohina na hiaran’ny voka-dratsin’ny safidy ratsy hataon’ny hafa. Inona izany no ataontsika? Isika dia manaraka ilay torohevitry ny Tompo hoe “tiava ny fahavalonareo; ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo” [Lioka 6:27–28].

Rehefa sendra ny fahoriana sy fijaliana isika noho ny toe-java-tsarotra sy ratsy ary mety noho ny filan-dratsy te hanimba ao amin’ny hafa mihitsy aza, dia afaka misafidy ny hanam-panantenana ao amin’i Kristy isika. Io fanantenana io dia tonga avy amin’ilay fanasany sy ilay fampanantenany hoe “matokia fa hitari-dalana anareo Aho”[Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:18] ary Izy koa hanokana ireo fahorianareo ho tombontsoanareo [jereo ny 2 Nefia 2:2].

Hamoaka printy