2021
I Jesoa Kristy: ilay mpikarakara ny fanahintsika
Mey 2021


“I Jesoa Kristy: ilay mpikarakara ny fanahintsika,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriana alahady maraina

I Jesoa Kristy: ilay mpikarakara ny fanahintsika

Sombin-dahatsoratra

Sary
Jesoa Kristy manasitrana lehilahy iray

Faly ny foko mahatsiaro ilay asa mahatalanjona indrindra sy mendri-kaja indrindra, lehibe indrindra nitranga teo amin’ny tantaran’ny olombelona, dia ny sorompanavotan’ilay Tompontsika, i Jesoa Kristy. …

Nanatanteraka tamim-panajana ny sitrapon’ny Ray i Kristy tamin’ny alalan’ilay sorompanavotana tsy manam-petra sy feno famindram-po nataony. Nandresy ny fanindronan’ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy Izy, izay tafiditra teto amin’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny Fahalavoana, ka manolotra fahafahana be voninahitra ho antsika ny hahazo famonjena mandrakizay. …

Raha nanaisotra tsy misy fepetra ny vokatry ny fahafatesana ara-batana ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny sorona nataony, dia tsy nanaisotra ny andraikitsika manokana ny hibebaka amin’ny fahotana ataontsika Izy. …

Ry namako malala, mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa rehefa mibebaka marina amin’ny fahotantsika isika, dia mamela ny sorompanavotan’i Kristy ho lasa mahomby tanteraka eo amin’ny fiainantsika. …

Ho fanampin’ny fanomezana mendri-kaja ny famonjena dia nanolotra antsika fanampiana sy fampiononana ny Mpamonjy rehefa miatrika ireo fahoriana sy fakam-panahy ary fahalemena iainantsika amin’ny fiainana an-tany isika, tafiditra amin’izany ireo toe-javatra niainantsika vao tsy ela amin’izao valanaretina izao. …

Rehefa manakaiky Azy isika, ka mamela ny tenantsika hokarakarainy ara-panahy, dia ho afaka ny hitondra eo amintsika ny ziogany izay mora, sy ny entany izay maivana, ka hahita izany fampiononana sy fitsaharana nampanantenainy izany. Ankoatra izany dia hahazo ny hery izay ilaintsika rehetra isika mba handresena ireo zava-tsarotra, sy fahalemena, ary alahelo eo amin’ny fiainana, izay tena sarotra hiaretana raha tsy misy ny fanampiany sy ny fanasitranany.

Hamoaka printy