2021
Indro! Andriamanitry ny fahagagana Aho
Mey 2021


“Indro! “Andriamanitry ny fahagagana Aho,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriana alahady tolakandro

“Indro! Andriamanitry ny fahagagana Aho”

Sombin-dahatsoratra

Sary
fahatazanana tendrombohitra

Mitobaka ireo fahagagana sy famantarana ary zava-mahagaga eo anivon’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ankehitriny, eo amin’ ny fiainanareo sy eo amin’ny ahy. Ireo fahagagana dia asa ataon’ Andriamanitra sy fanehoana ary fomba fisehon’ny herin’ Andriamanitra tsy misy fetra, ary fanambarana fa Izy dia “tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay” [Môrônia 10:19]. I Jesoa Kristy izay nahary ny ranomasina dia afaka mampitony izany. Izy izay nanome fahitana ilay jamba dia afaka mampiakatra ny fijerintsika hitodika any an-danitra. Izy izay nanadio ireo boka dia afaka manasitrana ny kilemantsika. Izy izay nanasitrana ilay lehilahy malemy dia afaka miantso antsika hijoro amin’ny teny hoe “avia, manaraha Ahy” [Lioka 18:22].

Maro aminareo no nanatri-maso fahagagana, mihoatra noho ny fiheveranareo. Mety toa bitika izy ireo raha ampitahaina amin’i Jesoa nanangana ny maty. Saingy tsy ny maha-goavana azy no maha-fahagagana azy, fa izy hoe avy amin’ Andriamanitra. …

Misy fotoana isika manantena fahagagana hanasitranana olon-tiana iray, hamadihana zavatra tsy rariny nihatra, na mba hanalefahana ny fon’olona iray ao anatin’ny ngidy na diso fanantenana. Rehefa mijery amin’ny maso maha olombelona isika dia tiantsika ny Tompo hiditra an-tsehatra, hanamboatra izay simba. Amin’ny alalan’ny finoana no hahatongavan’ny fahagagana, saingy tsy voatery ho araka ny fandaharam-potoantsika na hizotra araka ny niriantsika. …

Nampahatsiahy antsika ny Tompo hoe “ny lalanareo kosa tsy mba lalako” [Isaia 55:8]. Manasa Izy hoe: “Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana” [Matio 11:28], fitsaharana amin’ny tebiteby, fahadisoam-panantenana, tahotra, tsy fankatoavana, ahiahy ho an’ireo malalantsika, noho ireo nofy tsy tanteraka na rava. Ny fiadanana eo anivon’ny fifanjevona na ny fahoriana dia fahagagana.

Hamoaka printy