2021
Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?
Mey 2021


“Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriamben’ny Fisoronana

Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?

Sombin-dahatsoratra

Sary
Fasana foana nisy an’i Kristy

Inona no nataon’i Jesoa Kristy ho antsika tsirairay avy? Nanao ny zavatra rehetra izay ilaina amin’ny diantsika mandritra ny fiainana an-tany mankany amin’ilay toerana hahatongavana voalaza ao amin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra Izy. Hiresaka mikasika ny efatra amin’ireo lafin-javatra fototra ao amin’io drafitra io aho. …

Ny fitsanganana amin’ny maty dia manome antsika fomba fijery sy tanjaka ahafahana mahazaka ireo olana eto an-tany atrehantsika tsirairay sy atrehan’ireo olon-tiantsika. Manome antsika fomba vaovao hiheverana ireo tsy fahatomombanana ara-batana, na ara-tsaina, na ara-pihetseham-po ananantsika amin’ny fahaterahana na azontsika mandritra ny fiainana an-tany izany. Manome antsika tanjaka hahazakana ny alahelo, ny tsy fahombiazana ary ny fahasorenana izany.

Ny fitsanganana amin’ny maty koa dia manome antsika famporisihana mahery vaika hitandrina ireo didin’ Andriamanitra mandritra ny fiainantsika eto an-tany. …

Niaritra fijaliana tsy takatry ny saina ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika mba ho lasa sorona ho an’ny fahotan’ny olombelona rehetra izay mibebaka. Io sorona fanavotana io dia nanolotra ny faran’izay tsara indrindra, ilay zanak’ondry madio tsy misy kilema, ho an’ny ratsy lehibe indrindra, dia ny fahotan’izao tontolo rehetra izao. …

… Nampiana[tra antsika] ny drafitry ny famonjena [i Jesoa]. Tafiditra ao anatin’io drafitra io ny fahariana, ny tanjon’ny fiainana, ny antony ilàna ny fifanoherana, ary ny fanomezana ny fahafahana misafidy. Nampianariny antsika ihany koa ireo didy sy fanekempihavanana tokony hankatoavintsika ary ireo ôrdônansy tsy maintsy tanterahantsika mba hitondrana antsika hiverina any amin’ireo ray aman-drenintsika any An-danitra. …

Ny Mpamonjintsika dia mahatsapa sy mahafantatra ny fakam-panahy mahazo antsika, ny adintsika, ny ratram-pontsika, ary ny fahoriantsika, satria niaina izany rehetra izany an-tsitrapo Izy tao anatin’ny Sorompanavotany. … Ireo rehetra izay mijaly noho ireo karazana rofy rehetra eto amin’ny fiainana an-tany dia tokony hahatsiaro fa ny Mpamonjintsika ihany koa dia efa niaina izany karazana fanaintainana izany ary amin’ny alalan’ny Sorompanavotany no hanolorany amintsika tsirairay avy ny hery mba hahazakana izany.

Hamoaka printy