2021
Fanantenana ao amin’i Kristy
Mey 2021


“Fanantenana ao amin’i Kristy,” Ho zatovo mahery!, mey 2021.

Fivoriana sabotsy tolakandro

Fanantenana ao amin’i Kristy

Sombin-dahatsoratra

Sary
zatvovo mivavaka eo amin’ny toerana ahatazanana tendrombohitra

Ry rahalahy sy anabavy, amin’izao fotoan’ny Paska izao isika dia mifantoka amin’ilay Fitsanganana be voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika tamin’ny maty. Mahatsiaro ilay fanasany be fitiavana isika hoe “mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.

“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.

“Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako” [Matio 11:28–30].

Ny fanasan’ny Mpamonjy ho any Aminy dia fanasana ho an’ny rehetra tsy hoe hanatona Azy fotsiny ihany fa mba ho isan’ny Fiangonany ihany koa. …

Tian’i Jesoa isika hahafantatra fa Andriamanitra dia Ray any An-danitra be fitiavana.

Ny fahafantarana fa tian’ny Raintsika any An-danitra isika dia manampy antsika hahafantatra hoe iza isika sy hahafantatra fa isan’ny fianakaviambeny mandrakizay isika. …

… Na eo aza ireo fanamby atrehantsika amin’ny fiainana dia afaka manomboka fiainam-baovao ao amin’i Kristy isika, tahaka ny tamin’ilay marainan’ny Paska voalohany, miaraka amin’ny fahafahana vaovao sy mahatalanjona, ary zavatra vaovao rehefa mitodika amin’ny Tompo isika mba hahazoana fanantenana sy fahatsapana ho isan’ny vondron’olona. …

Raha miresaka momba ny fanantenana ao amin’i Kristy aho dia tsy miresaka momba ny fanantenana zavatra an’eritreritra fotsiny. Fa miresaka kosa momba ny fanantenana izay mitovy amin’ny fiandrandrana zavatra izay ho tanteraka. Tena ilaina ny fanantenana toy izany mba handresena ny zava-tsarotra, hanatsarana ny fahaiza-miaritra sy ny hery ara-panahy, ary hamantarana fa tian’ny Raintsika any An-danitra isika ary zanany isika izay isan’ny fianakaviambeny. …

Aza hadinoina velively fa ianao dia zanak’ Andriamanitra, ilay Raintsika mandrakizay, ankehitriny ary mandrakizay. Tiany ianao ary mitady sy mila anao ny Fiangonana. Eny, tena mila anao izahay! Ilainay ny feonao, ny talentanao, ny fahaiza-manao anananao, ny fahatsaranao, ary ny fahitsianao.

Hamoaka printy