2022
Fanampiana kely fanampiny
Nôvambra 2022


Fanampiana kely fanampiny

Toa mahafinaritra kokoa ny taolana dinausore toy izay ny fiofanana miteny.

Sary
A young boy walks through his classroom at school. He looks sad. A man holds up a dinosaur bone.

“Alex, fotoana handehanana mamonjy fiofanana miteny izao,” hoy Ramatoa Jenkins.

Nanondrika ny lohany i Alex. Kilasy manokana iray alehany ny fiofanana miteny. Sahirana izy manonona teny sy feo vitsivitsy. Koa nila nanao fampiharana azy ireny tao anatin’ ny kilasy mampianatra miteny izy isan-kerinandro. Isaky ny miala ny kilasy falehany izy dia mahatsapa ho menatra!

Niandrandra nijery ny mpampianany izy. “Azoko dinganina ve izany?” hoy izy nibitsibitsika. “Androany fotsiny?”

Androany Ramose Timmons no ho tonga tao amin’ny kilasin’i Alex mba hiresaka momba ny dinosaure. Miasa ao amin’ny tranom-bakoka misy taolana dinosaure mahafinaritra Ramose Timmons. Nitondra taolana izay efa an’arivo taona maro mihitsy aza izy! Tsy te ho tara amin’io i Alex.

Nitsiky Ramatoa Jenkins. “Mbola mila mandeha any amin’ny kilasy fianarao miteny ianao. Saingy mety ho tafaverina ara-potoana ianao amin’ny ampahany farany amin’ny resaka hoataon-dRamose Timmons.”

Niezaka namaly tamin’ny tsiky i Alex, saingy tsy vitany. Nandeha moramora tany amin’ilay kilasy fiofanana miteny izy. Tao amin’ny kilasy izy ireo dia nizatra nilaza teny iray ombieny ombieny. Ho nahafinaritra kokoa ny nianatra momba ny dinosaure.

“Tsy tiako ny miteny ireto feo manadala ireto,” hoy izy tamin’ny mpampanofana miteny azy. “Ohatra ny zazakely ireny aho.”

“Tsy zazakely izany ianao,” hoy izy. “Samy mila fanampiana kely fanampiny daholo isika rehetra indraindray. Fantatrao ve fa namonjy fiofanana miteny ihany koa aho fony aho tamin’ny taonanao?”

Nampahazo aina kokoa an’i Alex izany. Niezaka mafy izy nandritra ny fotoana sisa tamin’ilay kilasy nizatra an’ireo feo.

Rehefa niverina tany amin’ny efitrano fampianaran-dRamatoa Jenkins i Alex dia nahita an’i Courtney namany nivoaka.

“Ho aiza ianao?” hoy izy nanontany.

Niondrika i Courtney. “Sahirana amin’ny famakian-teny aho. Mila mandeha mamonjy kilasy manokana momba ny famakiana aho.” Toa menatra i Courtney.

“Tsy maninona izany,” hoy i Alex. “Vao avy tany amin’ny kilasy fianarako miteny mihitsy aho. Namerimberina feo iray ombieny ombieny no nandaniako ny fotoana rehetra tany.” Nikentron’orona izy.

“Izany ve?”

Nanetsika ny lohany izy nanaiky. “Nanaraka fiofanana miteny aho tato anatin’ny roa taona.”

“Ahoana no tsy nahalalako izany?” hoy izy nanontany.

Nanainga soroka i Alex. “Tsy mbola nolazaiko an’iza na iza. Natahotra aho sao hihomehezan’ny olona.”

“Tsy hihomehy anao mihitsy aho,” hoy i Courtney. “Faly aho fa tafaverina ara-potoana ianao hijery an’ilay taolana dinosaure. Tena mahafinaritra izany!” Nanofahofa tanana izy. “Mila mandeha aho. Rehefa avy eo mihaona.”

Tsy ela dia nahafantatra i Alex fa tsy izy sy i Courtney irery no mandeha any amin’ny kilasy hafa. I Tommy dia mamonjy kilasy izay manampy azy hianatra fahaiza-mifanerasera aman’olona bebe kokoa. Ary i Bekah dia niaraka niasa tamin’ny mpampianatra manokana iray mba hanampy azy hampatanjaka kokoa ny tanany rehefa avy naratra.

Ankehitriny i Alex dia tsy nalahelo loatra intsony momba ny fanatrehany ny kilasiny fianarana miteny. Te hanampy ireo ankizy hafa hanana fahatsapana tsara ihany koa izy. Niaraka nizatra namaky tamin’i Courtney izy ary niresaka tamin’i Tommy nandritra ny sakafo antoandro. Nila fanampiana kely fanampiny avokoa ny tsirairay, ary tsy naninona izany!

Sary
This image is #1 listed below. A series of spot illustrations of children. 1. A girl reading. 2. A boy talking. 3. A girl with a broken arm in a sling.

Mahazo fanampiana kely fanampiny aho amin’ny famakiana.

Sary
This image is #2 below. A series of spot illustrations of children. 1. A girl reading. 2. A boy talking. 3. A girl with a broken arm in a sling.

Mahazo fanampiana kely fanampiny aho amin’ny fahaiza-mifanerasera aman’olona.

Sary
This image is #3 listed below. A series of spot illustrations of children. 1. A girl reading. 2. A boy talking. 3. A girl with a broken arm in a sling.

Mahazo fanampiana kely fanampiny aho amin’ny tanako.

Sary
story PDF

Sary nataon’i Mark Robison

Hamoaka printy