2022
Hitan’i Felipe ny lalana
Nôvambra 2022


Mpamaky lay any amin’ny tany tsirairay

Hitan’i Felipe ny lalana

“Mba ampio izahay hahita ny lalanay,” hoy i Felipe nivavaka.

Sary
Spread illustration of Felipe (age 10) and his mom walking through a jungle, late in the day. Felipe is pointing to palm trees above the jungle in the distance. The jungle scene continues across the whole spread. Seven spot illustrations: 1. Map of Philippines 2. A tarsier, an animal found in the Philippines 3. An Latter-Day Saint temple illustration 4. Felipe and his wife on their wedding day. Just the figures from waist-up, no background needed 5. Felipe as he holds up a fish that he has caught 6. Simple family chart showing Felipe and his wife, four children (2 boys, 2 girls), and 10 grandchildren (5 boys, 5 girls). 7. Felipe at about age 19 as a missionary.

Fantatr’i Felipe fa efa niha-alina ny andro. Nijanona tsy nihiakiaka intsony ny vorona, ary naneno mafy ny angelikary. Efa nandeha adiny roa tao anaty ala izy sy ny reniny. Saingy toa nitovy tamin’ny lalana farany nalehan’izy ireo foana izay lalana noraisiny. Very tanteraka izy ireo.

Nanomboka natahotra be i Felipe. Hafiriana no hahaveloman’izy ireo ao anatin’io ala mikitroka io? Sady vao 10 taona monja izy. Mbola kely loatra izy ka tsy mahay miady amin’ny bibilava na ny lambo dia! Ary inona koa ny biby mampatahotra hafa mety hivezivezy mitady izay hohanina aorian’ny filentehan’ny masoandro? Nampatahotra azy mihitsy izany eritreritra izany.

Mahereza, hoy izy anakampo. Fantany fa mila mahery izy.

Tian’i Felipe raha mba teo ny dadany. Saingy efa maty izy enim-bolana lasa izay. Tena sarotra tamin’i Felipe sy ny reniny ny zavatra rehetra rehefa tsy misy azy. Tsy nanam-bola sy hanin-kohanina izy ireo.

Nanantena i Felipe fa ho tonga tany amin’ny tranon’ny anabaviny any ampitan’ny tendrombohitra tsy ho ela izy ireo. Afaka nanome vola azy ireo izy mba hividianana vary.

Nivavaka tao am-pony izy. “Ray any An-danitra ô, mba ampio izahay hahita ny lalanay. Mba ampio re!

Dia nisy eritreritra tonga taminy: Tadiavo ireo hazom-boaniho. Nitraka i Felipe. Avy eo dia nisy alam-boaniho tery lavitra tery. Tazany avo ambonin’ny rehetra tao amin’ilay kirihitr’ala izany. Nihetsiketsika tao anatin’ny tsio-drivotra ny raviny. Izay izy vao nahatsapa fanantenana tao anatin’ny ora maro.

“Jereo anie e!” Sady nanondro ireo hazo izy.

Takatry ny reniny izany. Ny hazom-boaniho dia midika fa misy tanàna eo akaiky. Novalin’ Andriamanitra ny vavak’i Felipe. Noraisin’i Felipe ny tanan-dreniny. Niara-nandeha nankany amin’ny toerana azo antoka izy ireo rehefa nilentika tao ambadik’ireo hazo ny masoandro.

Tsaroan’i Felipe foana ny namalian’ Andriamanitra ny vavaka nataony. Indraindray izy dia maniry ny hahare tsara kokoa ny feon’ Andriamanitra tahaka ny naharenesany izany tamin’io alina io tao anaty ala.

Ary indray andro, valo taona taty aoriana, dia nihaona tamin’ireo misiônera i Felipe. Avy amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo. Nampianatra azy momba ny mpaminany velona izy ireo, izay milaza ny tenin’ Andriamanitra. Izany mihitsy no nantenain’i Felipe!

Faly ery i Felipe hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Lasa iray amin’ireo misiônera voalohany avy tao Filipina izy mba hizara ny filazantsara tany. Mbola nasehon’ Andriamanitra an’i Felipe indray ny lalan-kaleha, ary fantatr’i Felipe fa hasehon’ Andriamanitra foana izany.

Ny Filipina dia manana nosy mihoatra ny 7.600!

Any amin’io firenena io no misy ny 70 isan-jaton’ny karazan-java-maniry sy biby manerana izao tontolo izao.

Tsy ho ela dia hanana tempoly miisa valo ny Filipina.

Nanangom-bola nandritra ny herin-taona i Felipe sy ny vadiny mba hahafahana nandeha tany amin’ny tempoly mba hofehezina.

Tia manjono i Felipe.

Manan-janaka 4 sy zafikely 10 i Felipe sy i Cora vadiny.

Sary
story PDF

Sary nataon’i Jomike Teijido

Hamoaka printy