2022
Avia, hanaraka Ahy, fiaraha-mientana
Nôvambra 2022


Avia, hanaraka Ahy, fiaraha-mientana

Ho an’ny takariva ao an-tokantrano, na fandalinana ny soratra masina, na atao fialam-boly fotsiny!

I Daniela sy ny lavaky ny liona

Sary
Spot illustrations. 1. Finger puppets from the biblical story of Daniel and the Lion's Den. Daniel, a couple of lions and an angel. 2. Photo of President Nelson at a pulpit. 3. Simple framed Old family photos. 4. Illustration of rock art of Daniel and whale.

Ho an’ny Daniela 1–6

Tantara: Nivavaka isan’andro ny mpaminany Daniela. Nisy lehilahy be fialonana sasany namitaka ny Mpanjaka mba hanao lalàna ratsy. Na iza na iza nivavaka tamin’ Andriamanitra dia natsipy tany an-davaky ny liona! Nivavaka ihany anefa i Daniela. Natsipy tao an-davaky ny liona izy saingy nandefa anjely Andriamanitra mba hiaro azy. (Jereo ny Daniela 6.)

Hira: “Te hiaina ny filazantsara aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 72)

Fiaraha-mientana: Hetezo ireo saribakoly kely ahetsika amin’ny rantsan-tanana ao amin’ny pejy 17 ary ampiasao izany hitantarana ny tantaran’i Daniela sy ny lavaky ny liona. Nahoana no tsara ny mivavaka?

Nitsangana tamin’ ny maty i Jesoa

Sary
Spot illustrations. 1. Finger puppets from the biblical story of Daniel and the Lion's Den. Daniel, a couple of lions and an angel. 2. Photo of President Nelson at a pulpit. 3. Simple framed Old family photos. 4. Illustration of rock art of Daniel and whale.

Ho an’ny Hosea 1–6; 10–14; Joela

Tantara: Mpaminany i Hosea. Nampianatra izy fa ho faty i Jesoa Kristy ary hitsangana amin’ny maty. Izany no ahafahantsika ho velona indray. (Jereo ny Hosea 13:14.)

Hira: “Moa ve Jesoa nitsangana?” (Bokin-kiran’ny ankizy, 45)

Fiaraha-mientana: Satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy, dia ho velona indray isika rehetra indray andro any. Mitadiava sarin’olona ao amin’ny fianakaviana izay efa maty. Mizarà tantara momba azy ireo.

Inona no nolazain’ny mpaminany?

Sary
Spot illustrations. 1. Finger puppets from the biblical story of Daniel and the Lion's Den. Daniel, a couple of lions and an angel. 2. Photo of President Nelson at a pulpit. 3. Simple framed Old family photos. 4. Illustration of rock art of Daniel and whale.

Ho an’ny Amosa; Obadia

Tantara: Nampianatra ny mpaminany Amosa hoe “tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony” (Amosa 3:7). Midika izany fa miresaka amin’ny mpaminaniny i Jesoa Kristy ankehitriny.

Hira: “Misaotra Anao noho ny Mpaminany” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, pejy 72)

Fiaraha-mientana: Vakio ny zavatra nambaran’ny mpaminany tamin’ny fihaonambe ao amin’ny pejy 2. Inona no nolazainy tamintsika? Manaova sarin’ny zavatra nampianariny.

I Jona sy ilay trondro be

Sary
Spot illustrations. 1. Finger puppets from the biblical story of Daniel and the Lion's Den. Daniel, a couple of lions and an angel. 2. Photo of President Nelson at a pulpit. 3. Simple framed Old family photos. 4. Illustration of rock art of Daniel and whale.

Ho an’ny Jona; Mika

Tantara: Niantso an’i Jona ny Tompo hampianatra ny vahoaka tao Ninive. Saingy natahotra i Jona. Nitsoaka izy. Natelin’ny trondro be izy! Telo andro taty aoriana dia naloan’ilay trondro izy. Nibebaka i Jona ary nampianatra ny vahoaka. (Jereo ny Jona 1–4.)

Hira: “Araho hatrany ny mpaminany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 58, andininy 7)

Fiaraha-mientana: Mandehana mivoaka ary mitadiava vato na ravin-kazo na tapa-kazo. Ampiasao izany hanaovana sary mahakasika an’i Jona sy ilay trondro be!

Sary nataon’i Katy Dockrill

Hamoaka printy