2022
Resadresaka niarahana tamin’i Xiomara momba ny hoe ohatra ny ahoana izany vaovao ao amin’ny Zatovovavy izany
Nôvambra 2022


Resadresaka niarahana tamin’i Xiomara momba ny hoe ohatra ny ahoana izany vaovao ao amin’ny Zatovovavy izany

I Xiomara (tononina hoe si-ô-MA-ra) dia avy any Chiapas, tanàna iray ao Mexico Atsimo. Vao tsy ela izy no nifindra tao amin’ny Zatovovavy.

Sary
Illustration of Xiomara.

Voalohany aloha dia te hahafantatra anao izahay.

Inona no ataonao mba hialana voly?

Mitaingina bisikileta sy milalao baolina kitra ary mahandro sakafo. Quesadillas no zavatra tena tiako andrahoina!

Inona no loko tena tianao indrindra?

Mavo.

Inona no tena nandrandrainao indrindra momba ny fifindrana avy amin’ ny Kilonga mankany amin’ny Zatovovavy?

Tena nampientanentana ahy ny handeha any amin’ny tempoly sy hanao batisa.

Inona no tsapanao momba ny fandehanana tao amin’ny Zatovovavy voalohany?

Sarotra be ilay izy tamin’ny voalohany. Natahotra ny amin’izay ho eritreretin’ireo ankizivavy zokiko momba ahy aho. Somary nitebiteby aho mandra-paha-lasa anay rehetra niaraka nankany amin’ny tempoly. Tamin’izany no nahalasa mpinamana be anay.

Nanao ahoana izany nandeha tany amin’ ny tempoly voalohany izany?

Sary
Xiomara walking in front of the Tuxtla Gutierrez Mexico Temple.

Tena niavaka izany. Traikefa ara-panahy ho ahy ny niditra tao anatin’ny tempolin’ny Tompo. Naniry ny ho any amin’ny tempoly foana aho hatrizay. Tao amin’ny Kilonga izahay dia nihira hoe: “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy.” Izao aho dia afaka milaza hoe “Tiako ny mandeha any amin’ny tempoly.”

Tamin’izay fotoana voalohany nandehanako tany amin’ny tempoly izay dia nanao batisa ho an’ireo nenitoako sy havanan’ny renibeko (renin’ny reniko) sasany aho, ary olona hafa izay tsy fantatro. Anisan’ny fijoroana ho vavolombelona ananako ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana.

Inona avy ny fiaraha-mientana nahafinaritra efa nataonao niaraka tamin’ny vondron’ny Zatovovavy misy anao?

Sary
A batch of chocolate chip cookies.

Manamboatra buscuits! Nahavita biscuits miisa 150 izahay. Dia nozarainay tamin’olona hafa izany. Mahafinaritra ireo fiaraha-mientan’ny Zatovovavy. Feno lesona sy fandrisihana ary fitarihana tsara izy ireo mba hanampiana antsika ho lasa misiônera amin’ny hoavy.

Misy ankizivavy hafa mitovy taona aminao ve ao amin’ny paroasy misy anao?

Izaho irery ihany. Izaho irery ihany koa no hany mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny kilasy misy ahy any an-tsekoly.

Sarotra ve izany hoe hany mpikamban’ny Fiangonana ao am-pianarana izany?

Tsia. Fantatry ny namako rehetra fa manaraka fivavahana hafa amin’ny azy ireo aho, saingy tsy manavaka ahy izy ireo.

Inona no tena tianao amin’ny maha-Zatovovavy anao?

Tiako ny mianatra bebe kokoa momba ny Mpamonjy sy ny drafitry ny famonjena. Fitahiana lehibe ny manao ny asan’ny tantaram-pianakaviana. Tiako ny manao ireo batisa any amin’ny tempoly mba hanome fanantenana an’ireo havanay izay efa nandao ity tany ity.

Tiako ny tafiditra ao amin’ny fandaharam-pianaran’ny Zatovovavy.

Sary
story PDF

Sary nataon’i Alyssa Tallent

Hamoaka printy