“Vaovaon’ny fihaonambe,” Namana, aogositra 2023, 4.
Vaovaon’ny fihaonambe
Teny notsongaina tamin’ny fihaonambe
Ireo tempoly maneran-tany
Hisy tempoly ao amina kôntinanta 6 sy firenena 74!
-
168 no efa miasa
-
+53 eo an-dalam-panamboarana
-
+5 eo an-dalam-panavaozana
-
+74 efa nambara
-
=_______ no fitambaran’ny tempoly rehetra
Fanampiana amin’ny fanaovana safidy
Misy bokikely vaovao be ho an’ny zatovo! Ho Zatovo mahery!: Torolalana hanaovana safidy no anarana fiantsoana izany. Inona no manampy anao hanao safidy tsara?
Miara-manompo amin’ny hafa
Tamin’ny 2021 ny Fiangonana dia nanome 906 tapitrisa dôlara an’ireo olona sahirana ary nandany 6 tapitrisa ora nanampiana olona tao amina firenena samihafa miisa 188. Matetika ny Fiangonana no miara-miasa amin’ny hafa mba hanampiana olona maro be!
Amboaram-peo tamin’ny fihaonambe
Nihira tao anatina amboaram-peo ny ankizy sy zatovo avy ao Utah, Etazonia. Nisy amboaram-peo iray hafa nahitana misiônera manaraka fiofanana sy misiônera mpanao asa fanompoana. Firy ny hiran’ny Kilonga nohirain’ny amboaram-peo nandritra ny fihaonambe?