2022
Miomàna ho any amin’ny tempoly!
Nôvambra 2022


Miomàna ho any amin’ny tempoly!

Nanontany ankizy izahay hoe manao ahoana ny fiomanany ho any amin’ ny tempoly ary inona no andrasany. Ireto ny zavatra nolazain’izy ireo!

Sary
Portrait of Alivia Woodbury.

“Mandalina ireo fanontaniana mandritra ny tafa sy dinika momba ny tempoly aho mba ho vonona ny ho any amin’ny tempoly. Te hanana fijoroana ho vavolombelona matanjaka aho.”

Alivia W., 9 taona, Utah, Etazonia

Sary
Picture of Luke Freeman.

“Mampientanentana ahy ny handeha any amin’ny tempoly indray andro any mba hanao batisa. Nianatra zavatra maro momba ny tempoly aho tamin’ ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina. Tena faly aho satria na dia eo amin’ny tokontanin’ny tempoly aza dia afaka mahatsapa mafy tokoa ny Fanahy aho. Azoko antoka fa mbola mafy noho izany ny Fanahy ao anatiny.”

Luke F., 10 taona, Idaho, Etazonia

Sary
Picture of Mark Yeromin sitting on the couch holding a kitten.

“Afaka miomana ho any amin’ny tempoly tsikelikely isan’andro ianao. Mitandrina ny didy aho. Miaraka mamaky ny soratra masina amin’ny rahalahiko sy ny reniko aho isa-maraina mialoha ny ho any an-tsekoly. Miezaka ny ho ohatra tsara amin’ireo namako aho. Miezaka ny misafidy ny tsara aho tahaka ny voalazan’ilay fihirana hoe -Manaova ny marina- (Fihirana sy Hiran’ny ankizy, p. 68). Hirainay izany amin’ny maraina mba hananana toe-tsaina tsara!’

Mark Y., 10 taona, Poltava, Ukraine

Sary
Picture of Daniel Denshchykov.

“Mivavaka isan’andro aho ary manontany ny ray aman-dreniko momba ireo ôrdônansin’ny tempoly. Mivonona amin’ny tafa sy dinika iarahako amin’ny eveka ihany koa aho. Mampientanentana ahy ny ho any amin’ny tempoly.”

Daniel D., 11 taona, Kiev, Ukraine

Sary
Picture of Antonella Igor.

“Tiako ny fotoana voalohany nandehanako tany amin’ny tempoly. Talohan’ny anjarako hanao batisa dia nanao vavolombelona aho. Nijery olona hafa natao batisa aho ary maka antoka fa nilentika tsara tao anaty rano izy. Rehefa anjarako ny natao batisa dia nafana ilay rano. Nahatsapa fiadanana sy fifaliana aho. Tiako ny tempoly ary tiako ny manampy amin’ity asa lehibe ity.”

Antonella A., 12 taona, Colombie-Britannique, Canada

Hamoaka printy