2022
Ilay boky miavaka
Nôvambra 2022


Ilay boky miavaka

Sary
Border art from the Book of Mormon Stories surrounds Bernice (about age 5) who is holding the book. Her head pops out of the cover. Her parents are in the background.

“Anjaranao izao no mamaky ry Dada” hoy i Bernice. Nosokafany ny soratra masina. Nipetraka teo akaikiny teo amin’ny seza lava i Dada sy i Neny.

I Dada no mamaky ny soratra masina voalohany. “Fantatro fa tia ireo zanany Izy.”

“Fantatro fa tia ireo zanany Izy,” hoy ny naverin’i Bernice.

“Na dia eo aza izany,” hoy i Dada, “dia tsy fantatro ny hevitry ny zava-drehetra.”*

Somary sarotra ilay hoe na dia eo aza izany. Mbola tsy hain’i Bernice ny mamaky azy, ary tsy fantany ny tian’ireo teny rehetra ireo ambara. Saingy tiany ny mamerina ireo teny rehefa miaraka mamaky ny soratra masina ny fianakaviany.

Ny ampitson’io tamin’ny fotoana famakiana ny soratra masina dia nanana zavatra tsy nampoizina i Dada. “Misy zavatra miavaka ho anao ity,” hoy izy. Nanome boky an’i Bernice izy. Misy sarina vahoaka sy sambo eo anoloana.

“Ho ahy ve ity?” Hoy i Bernice nanontany. Nofihininy tamin’ny tanany ilay boky be.

“Ho anao,” hoy i Dada. “Jereo ny ao anatiny.”

Nosokafan’i Bernice ilay boky. Nihangeza ny masony. Feno sary miloko tao.

“Inona no anaran’ity?” Hoy i Bernice nanontany.

Notondroin’i Dada ireo teny teo amin’ny fonony. “Ireo tantara ao amin’ ny Bokin’i Môrmôna,” hoy izy.

Narahin’i Bernice ireo teny teo amin’ny fonony. “Ireo tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna,” hoy izy.

“Misy ireo tantara vakintsika ao amin’ny soratra masina izy io,” hoy i Neny.

Nanondro ny iray tamin’ireo sary i Bernice. “Iza ito?” hoy izy nanontany.

“Hmm. Hitanao ve io tsipìka sy zana-tsipìka io?” Hoy i Neny nanontany.

Nanetsika ny lohany i Bernice.

“Tsaroanao ve ny namaky momba ny olona iray izay simba tsipìka?” Hoy i dada nanontany.

“Nefia ve?” Hoy i Bernice.

“Eny, i Nefia,” hoy i Dada.

Nitsiky i Bernice. “Misaotra Dada. Misaotra Neny. Tiako ity boky ity.”

Isaky ny hariva i Bernice dia mamaky ny bokin-tsoratra masiny miaraka amin’i Dada sy i Neny. Tondroiny ireo sary. Nianatra nanonona teny sarotra vitsivitsy izy. Ary nianatra namaky irery teny mora vitsivitsy izy.

Mahatonga azy hahatsapa fifaliana ny famakiana ny soratra masina. Faly izy fa afaka mamaky izany miaraka amin’i Dada sy i Neny!

Hamoaka printy