2022
Ny fihaonambe dia maneho sy milaza
Nôvambra 2022


“Ny fihaonambe dia maneho sy milaza,” Namana, nôvambra 2022, 6–7.

Ny fihaonambe dia maneho sy milaza

Sary
I Sophie sy i Bailey ary i Clair B. manamboatra tempoly vita amin’ny siramamy efa-joro

I Sophie sy i Bailey ary i Claire B., 4, 8, ary 6 taona, avy any Texas, Etazonia, dia nanamboatra tempoly vita amin’ny siramamy efa-joro teo am-pihainoana ny fihaonambe.

Sary
I Fabiola R. eo akaikin’ny fahitalavitra mampiseho ny Filoha Henry B. Eyring manao lahateny

I Fabiola R., 12 taona, avy ao Rio Grande do Sul, Brésil, dia tia mihaino ny fihaonambe miaraka amin’ny fianakaviany. Tsy mahay mamaky teny sy manoratra izy kanefa mahatsapa ny fiadanana sy ny fitiavana avy amin’ireo hafatry ny fihaonambe. Ny mihaino ny namany, ny Filoha Henry B. Eyring no tiany indrindra.

Sary
Sarin’i Jesoa Kristy nataona ankizy iray

Liesel L., 9 taona, Kansas, Etazonia

Sary
Lucy M. maneho ny lampihazon’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany namboarina tamin’ny kilalao plastika

Lucy M., 7 taona, Utah, Etazonia

Sary
Sarin’ireo mpandahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany nataona ankizy iray

Milo M., 8 taona, Arizona, Etazonia

Sary
Manu L.

Manao kilalao izahay mandritra ny fihaonambe. Mametaka autocollant (takelaka mipetaka) amin’ny taratasy iray izahay isaky ny mahare ny anaran’i Kristy. Feno autocollant ny taratasinay amin’ny farany!

Manu L., 6 taona, Tel Aviv, Isiraely

Sary
Adam L.

Tiako ireo tantara mahaliana tantarain’ny mpaminany sy ireo apôstôly amintsika momba ny fiainan’izy ireo.

Adam L., 9 taona, Tel Aviv, Isiraely

Sary
Reuben F.

Tia hira aho! Ny mihaino ny amboaram-peo mihira no tiako indrindra. Manantena ny hihira ao anatina amboaram-peo iray aho indray andro any.

Reuben F., 4 taona, Louisiane, Etazonia

Sary
Isaac E.

Tiako ny mihaino ny mpaminanintsika sy ireo fihirana hiraina amin’ny fomba miavaka izay hirain’ny Amboaram-peon’ny Tabernakely.

Isaac E., 6 taona, Faritra Andrefana, Ghana

Sary
William S.

Tiako ny miaraka amin’ny fianakaviako dia mandoko sary mandritra ny fihaonambe.

William S., 7 taona, Tasmanie, Australie

Sary
Noah A.

Tiako ny mihaino ny mpaminanintsika sy mihaino ny toerana hisian’ireo tempoly vaovao.

Noah A., 12 taona, Al-Ahmadi, Koweït

Sary
I Danielle, i Hailey, ary i Robin L.

Tianay ny mihaino ny amboaram-peo mihira sy manao fiaraha-mientana mahakasika ny fihaonambe.

I Danielle, i Hailey, ary i Robin L., 6, 10, ary 9 taona, Singapour

Hamoaka printy