Maneho fiarahabanaavy aty Libanona!
Miaraha amin’i Margo sy i Paolo eo am-pitetezan’izy ireo an’izao tontolo izao mba hahafantarana momba ireo zanak’ Andriamanitra.
I Libanona dia any Moyen-Orient. Olona eo ho eo amin’ny 7 tapitrisa no mipetraka ao.
Tanàna amoron-tsiraka
Ny sisiny andrefana manontolo amin’i Libanona dia mikasika amin’ny Ranomasina Mediterane. Ireto ankizivavy ireto dia eny amoron-dranomasina ao an-drenivohitra, dia i Beyrouth.
Fiteny ôfisialy
Io ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’ny fiteny Arabo, ny fiteny ôfisialy ao Libanona.
Taboulé
Ity salady ity dia vita amin’ny persily, voatabia, solila, tongolo, ary bulgur (karazana voamaina).
Sederan’i Libanona
Nanana hazo sedera maro i Libanona taloha. Ny sederan’i Libanona (Liban) dia voatonona mihoatra ny im-70 ao amin’ny Baiboly! Ankehitriny ny sainam-pirenen’i Libanona dia misy sarina hazo sedera.
Fivavahana roa
Ny finoana silamo sy kristianina no fivavahana lehibe ao Libanona. Io moske silamo io dia mijoro eo akaikin’ny fiangonana kristianina.