“Mifantoha amin’ny tempoly,” Namana, nôvambra 2022, 2–3.
Hafatry ny fihaonambe avy amin’ny Mpaminany
Mifantoha amin’ny tempoly
Namboarina avy amin’ny “Mifantoha amin’ny tempoly,” Liahona, nôv. 2022.
Vao haingana izaho sy Rahavavy Nelson no nijery ireo horonan-tsary momba ny Bokin’i Môrmôna. Nampiseho ny Mpamonjy niseho tamin’ny Nefita ny iray tamin’izany. Hoy Izy hoe: “Indro, Izaho no Jesoa Kristy. … Izaho no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao” (3 Nefia 11:10–11).
Zava-dehibe fa ny Mpamonjy dia nisafidy ny hiseho tamin’ny vahoaka tao amin’ny tempoly. Tranony izany. Ahitana ny heriny izany.
Manafaingana ny fanorenana tempoly ny Tompo. Manao izany Izy mba hahafahan’ny olona maro kokoa mankany. Mampanantena aho fa ny fankanesana matetika kokoa any amin’ny tempoly dia hitahy ny olona amin’ny fomba izay tsy misy na inona na inona hafa hahavita izany.
Nanambara tempoly mihoatra ny 18 aho nandritra ny fihaonambe. Any amin’ireo tanàna tena lehibe sasantsasany dia mandany fotoana maharitra ny olona handehanana any amin’ny tempoly ao amin’ny tanànan’izy ireo. Ka noho izany dia hanorina tempoly maro ao amin’ny sasany amin’ireto tanàna lehibe ireto izahay. Haorina any akaikin’ny tanànan’i Mexico ny efatra amin’ireo tempoly vaovao.
Ry rahalahy sy ranabavy malalako, enga anie ianareo hifantoka amin’ny tempoly mihoatra lavitra noho ny teo aloha. Mitsodrano anareo aho mba hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy isan’andro. Tiako ianareo. Homba anareo anie Andriamanitra mandrapihaonantsika indray.
Nitsidika ny Nefita i Jesoa
Niseho tamin’ny Nefita tao amin’ny tempoly ny Mpamonjy satria tranony izany. Manome antsika tempoly betsaka kokoa Andriamanitra mba hampatanjahana sy hiarovana antsika.