Manampy toa an’i Jesoa
Nilaza i Jesoa ny mba hitiavantsika ny namantsika
Indray andro dia nisy lehilahy anankiray nanontany an’i Jesoa Kristy hoe inona ny didy lehibe indrindra. Nilaza i Jesoa fa ny didy lehibe voalohany dia ny mitia an’ Andriamanitra. Avy eo Izy dia nilaza fa ny faharoa dia hoe “tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Marka 12:31). Midika izany fa tokony ho tia ny hafa isika ary mandray azy ireo amin’ny fomba tiantsika handraisan’ny olona antsika.
Io vondrona ankizy ao amin’ny Kilonga avy ao Mississipi, Etazonia io dia nanampy tamin’ny fanadiovana ny tranon’ny mpiara-monina taorian’ny fandalovan’ny rambon-danitra.