2022
Halavana tena mety tsara
Nôvambra 2022


Halavana tena mety tsara

Tsy tian’i Trina hoe miavaka izy.

Sary
A girl named Trina stands in a space that is a textured yellow panel and a textured floor. This represents that she feels like she is small. Her friend, Josie, invites her to join the other kids in the primary class.

“Kely loatra ianao!” Hoy i Sasha. “Tokony ho Trina Kely no fiantso anao.”

Niezaka nitsiky i Trina. Naneso azy foana ireo ankizy hafa tany an-tsekoly satria kely izy. Kely hatry ny nahaterahany izy, ary tsy nitombo haingana nitovy tamin’ny ankizy hafa izy. Kanefa tsy tiany ilay anarana hoe Trina Kely. Tsy tiany hoe miavaka izy.

“Kely loatra ianao ka mety tsy hitombo intsony,” hoy i Max rehefa mivoaka maka rivotra izy ireo.

“Fantatro fa kely aho,” hoy i Trina. “Saingy tsisy azoko atao ny amin’izany. Andao hilalao.”

Nihazakazaka nilalao baolina niaraka tamin’ireo ankizy hafa i Trina. Nifandaka baolina izy ireo. Niala voly avokoa izy ireo.

Saingy tsy ela dia reraka be i Trina. Niala tsimoramora tamin’ilay lalao izy ary nipetraka teny amin’ny bozaka.

Vetivety dia nanatona azy i Josie namany. Niray kilasy taminy ao amin’ny Kilonga koa i Josie any am-piangonana.

“Ao tsara ve ianao?” Hoy i Josie nanontany.

“Ie,” hoy i Trina. “Mila miala sasatra fotsiny aho. Reraka ny havokavoko rehefa mihazakazaka be aho. Tsy tena matanjaka izany.”

Nipetraka teo akaikin’i Trina i Josie. Naka bozaka izy ireo ary nanamboatra peratra sy fehin-tanana kely. Niresaka momba ny ao an-tsekoly sy ireo namana ary ny entimody izy ireo.

“Henoko ny zavatra nolazain’i Sasha,” hoy i Josie. “Azafady fa niantso anao hoe Trina Kely izy.”

Nanaiky tamin’ny lohany fotsiny i Trina.

“Saingy mieritreritra aho hoe tena mety tsara ny halavanao!” Hoy i Josie.

Nitsiky i Trina. Natolony an’i Josie ilay fehin-tanana namboariny tamin’ny bozaka.

Ny alahady nanaraka izay dia vonona ny handeha hiangona i Trina. Nampidiriny ny akanjony dia nobangoiny ny volony. Avy eo dia nikentrona izy nijery ireo kiraro keliny tao anaty lalimoara. Azony antoka fa tsy misy ankizy hafa ao amin’ny kilasy misy azy ao amin’ny Kilonga manao kiraro kely toy izany.

Nitaritarika tongotra i Trina nidina ny lalantsaran’ny tao am-piangonana. Rehefa tonga tao amin’ny efitrano fianarany izy dia niandry teo ivelany i Josie.

“Misy zavatra nomaninay ho anao!” Hoy i Josie. “Avia anie jereo e!”

Rehefa niditra tao amin’ilay efitrano i Trina dia nanondro tany amin’ny tabilao voahaingo manjopiaka ireo ankizy hafa sy Rahavavy Bott mpampianatra azy ireo. Feno sarina fo mipetaka manerana izany. Misy soratra eo amin’ireo fo milaza hoe: “Ngeza ny tsikin’i Trina! Ngeza ny fon’i Trina!”

Sary
A girl named Trina stands in a space that is a textured yellow panel and a textured floor. This represents that she feels like she is small. Her friend, Josie, invites her to join the other kids in the primary class.

“Tianao ve?” hoy i Josie nanontany. “Rahavavy Bott no nanampy anay nanao an’io.”

“Tiako” hoy i Trina. “Misaotra.”

“Misy fahamarinana iray lehibe tianay hotsaroanao,” hoy Rahavavy Bott. “Tia antsika tsirairay avy ny Ray any An-danitra. Na fohy. Na lava. Na ngeza. Na kely. Tsy miraharaha izany Izy. Zanany daholo isika rehetra, ary tiany avokoa ny tsirairay.”

Nijery an’ireo fo teo amin’ny tabilao i Trina dia nitsiky—nitsiky be.

Sary
story PDF

Sary fanehoana nataon’i Linda Lee

Hamoaka printy