2022
Fantaro i Carmen avy any Libanona
Nôvambra 2022


Manome Tanana manerana izao tontolo izao

Fantaro i Carmen avy any Libanona

Fantaro ireo ankizy ao amin’ vny Kilonga manampy ny hafa, tahaka ny nataon’i Jesoa.

Sary
A young girl named Carmen Ahmad stands outside and smiles.

Ny mombamomba an’i Carmen rehetra

Sary
Carmen Ahmad with her three older siblings.

Taona: 8

Fiaviana: Syria saingy mipetraka any Libanona amin’izao

Fiteny: Arabo, Anglisy

Tanjona sy nofinofy: 1) Hitsidika ny tempoly. 2) Ho lasa mpanakanto 3) Hanao asa fitoriana ny filazantsara.

Fianakaviana: Manana zoky vavy roa i Carmen ary zoky lahy iray.

Ireo asa fanomezan-tananana ataon’i Carmen

Sary
Carmen Ahmad smiles with a box full of supplies.

Mipetraka any Libanona i Carmen sy ny reniny, saingy tany Syria izy ireo no nipetraka taloha. Avy any Syria ihany koa ny mpiara-monina aminy. Tamin’ny desambra lasa teo dia naniry ny hanao zavatra tsara ho azy ireo i Carmen. Isan’andro mandra-pahatonga ny Krismasy dia nividy zavatra kely iray tao amin’ny trano fivarotana i Carmen. Nataony tao anaty boaty izany rehetra izany. Afaka 25 andro dia feno ilay boaty. Tamin’ny andron’ny Krismasy dia nentin’i Carmen tany amin’ireo mpiray monina aminy ilay boaty. Tena feno fankasitrahana izy ireo. Nilaza i Carmen fa nanampy azy hahatsiaro ny fanompoana nataon’i Jesoa Kristy ny fanompoana nataony. “Rehefa maneho fitiavana ny hafa isika,” hoy i Carmen, “dia mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra.”

Ireo zavatra tian’i Carmen

Toerana: Amoron-dranomasina

Tantara momba an’i Jesoa : Tamin’ Izy nandeha teo ambony rano

Hiran’ny Kilonga: “Tia ahy ny Ray any An-danitra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 16)

Sakafo: Paty, gilasy sundaes

Loko: Volomparasy

Taranja any an-tsekoly: Siansa

Sary
story PDF

Sary nataon’i Svetla Radivoeva

Hamoaka printy