2022
Vaovan’ny fihaonambe
Nôvambra 2022


“Vaovaon’ny fihaonambe,” Namana, aogositra 2023, 4.

Vaovaon’ny fihaonambe

Sary
vaovaon’ny fihaonambe

Teny notsongaina tamin’ny fihaonambe

Ireo tempoly maneran-tany

Hisy tempoly ao amina kôntinanta 6 sy firenena 74!

  • 168 no efa miasa

  • +53 eo an-dalam-panamboarana

  • +5 eo an-dalam-panavaozana

  • +74 efa nambara

  • =_______ no fitambaran’ny tempoly rehetra

Fanampiana amin’ny fanaovana safidy

Misy bokikely vaovao be ho an’ny zatovo! Ho Zatovo mahery!: Torolalana hanaovana safidy no anarana fiantsoana izany. Inona no manampy anao hanao safidy tsara?

Miara-manompo amin’ny hafa

Tamin’ny 2021 ny Fiangonana dia nanome 906 tapitrisa dôlara an’ireo olona sahirana ary nandany 6 tapitrisa ora nanampiana olona tao amina firenena samihafa miisa 188. Matetika ny Fiangonana no miara-miasa amin’ny hafa mba hanampiana olona maro be!

Amboaram-peo tamin’ny fihaonambe

Sary
Amboaram-peon’ny ankizy sy zatovo

Sary nalain’i Cristy Powell

Nihira tao anatina amboaram-peo ny ankizy sy zatovo avy ao Utah, Etazonia. Nisy amboaram-peo iray hafa nahitana misiônera manaraka fiofanana sy misiônera mpanao asa fanompoana. Firy ny hiran’ny Kilonga nohirain’ny amboaram-peo nandritra ny fihaonambe?

Hamoaka printy