2022
Zavatra noraisina an-tsoratra avy amin’ny fihaonambe
Nôvambra 2022


“Zavatra noraisina an-tsoratra avy amin’ny fihaonambe,” Namana, nôvambra 2022, 5.

Zavatra noraisina an-tsoratra avy amin’ny fihaonambe

Afaka manompo ny olona tsirairay

Sary
Dallin H. Oaks

Ny Filoha Oaks dia nizara tantarana lehilahy iray nantsoina hoe Ramose Gabriel, izay nanampy ankizy mpitsoa-ponenana an’arivony. Nanorina “sekoly eo ambanin’ny aloky ny hazo” izy izay nivorian’ireo ankizy teo ambanin’ny aloky ny hazo. Rehefa hitany fa nisy zavatra nilaina, dia nanampy izy! Manome fanentanam-panahy ho an’olona maro tahaka an’i Ramose Gabriel Andriamanitra mba hanao soa.

Mampianatra ahy izany fa:

Mizara ny Bokin’i Môrmôna

Sary
Ronald A. Rasband

Ny Loholona Rasband dia nitantara mikasika ny fomba nanomezan’ny mpaminany tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna iray ho an’ny mpanjaka iray ao Ghana. Niaraka namaky momba an’i Jesoa Kristy tao amin’ny 3 Nefia 11 ny Filoha Nelson sy ilay mpanjaka. Nilaza ilay mpanjaka fa sarobidy mihoatra ny diamondra na ny vatosoa ilay boky satria nampianatra azy bebe kokoa momba an’i Jesoa ilay izy.

Mampianatra ahy izany fa:

I Jesoa no valiny

Sary
Loholona Ryan K. Olsen

Ny Loholona Olsen dia niresaka mikasika an’i Nash zana-drahalahiny. Teo am-piarahana niasa izy ireo no nahita hevitra tena tsara hamahana olana iray i Nash. Nanontanian’ny Loholona Olsen an’i Nash ny fomba nahatonga azy ho marani-tsaina toy izany. Dia namaly i Nash hoe: “I Jesoa.” I Jesoa Kristy no valiny hamahana ny olantsika rehetra.

Mampianatra ahy izany fa:

Solomaso mba hahitana

Sary
Rahavavy Tracy Y. Browning

Rahavavy Browning dia nilaza fa mila solomaso izy mba hahitany. Isa-maraina dia ny maka ny solomasony no zavatra ataony voalohany. Niresaka mikasika ny fomba ilany an’i Jesoa Kristy isan’andro tahaka ny ilany ny solomasony izy. Mampanantena ny hitarika sy hanoro antsika ny Mpamonjy rehefa manokana fotoana ho Azy isika.

Mampianatra ahy izany fa:

Hamoaka printy