“Ny fihaonambe dia maneho sy milaza,” Namana, nôvambra 2022, 6–7.
Ny fihaonambe dia maneho sy milaza
I Sophie sy i Bailey ary i Claire B., 4, 8, ary 6 taona, avy any Texas, Etazonia, dia nanamboatra tempoly vita amin’ny siramamy efa-joro teo am-pihainoana ny fihaonambe.
I Fabiola R., 12 taona, avy ao Rio Grande do Sul, Brésil, dia tia mihaino ny fihaonambe miaraka amin’ny fianakaviany. Tsy mahay mamaky teny sy manoratra izy kanefa mahatsapa ny fiadanana sy ny fitiavana avy amin’ireo hafatry ny fihaonambe. Ny mihaino ny namany, ny Filoha Henry B. Eyring no tiany indrindra.
Liesel L., 9 taona, Kansas, Etazonia
Lucy M., 7 taona, Utah, Etazonia
Milo M., 8 taona, Arizona, Etazonia
Manao kilalao izahay mandritra ny fihaonambe. Mametaka autocollant (takelaka mipetaka) amin’ny taratasy iray izahay isaky ny mahare ny anaran’i Kristy. Feno autocollant ny taratasinay amin’ny farany!
Manu L., 6 taona, Tel Aviv, Isiraely
Tiako ireo tantara mahaliana tantarain’ny mpaminany sy ireo apôstôly amintsika momba ny fiainan’izy ireo.
Adam L., 9 taona, Tel Aviv, Isiraely
Tia hira aho! Ny mihaino ny amboaram-peo mihira no tiako indrindra. Manantena ny hihira ao anatina amboaram-peo iray aho indray andro any.
Reuben F., 4 taona, Louisiane, Etazonia
Tiako ny mihaino ny mpaminanintsika sy ireo fihirana hiraina amin’ny fomba miavaka izay hirain’ny Amboaram-peon’ny Tabernakely.
Isaac E., 6 taona, Faritra Andrefana, Ghana
Tiako ny miaraka amin’ny fianakaviako dia mandoko sary mandritra ny fihaonambe.
William S., 7 taona, Tasmanie, Australie
Tiako ny mihaino ny mpaminanintsika sy mihaino ny toerana hisian’ireo tempoly vaovao.
Noah A., 12 taona, Al-Ahmadi, Koweït
Tianay ny mihaino ny amboaram-peo mihira sy manao fiaraha-mientana mahakasika ny fihaonambe.
I Danielle, i Hailey, ary i Robin L., 6, 10, ary 9 taona, Singapour