2022
Manao veloma ny Loholona Christoffel Golden sy ny Rahavavy Diane Golden ny Vondromparitra Afrika Atsimo
Septambra 2022


Fanamarihan’ny tonian-dahatsoratra

Manao veloma ny Loholona Christoffel Golden sy ny Rahavavy Diane Golden ny Vondromparitra Afrika Atsimo

Ny Vondromparitra Afrika Atsimo dia maneho ny fankasitrahana avy ao am-po ho an’ny Loholona Christoffel Golden sy ny Rahavavy Diane Golden noho ny asa fanompoan’izy ireo tato amin’ny vondromparitra.

Ny Loholona Golden dia Filohan’ny Vondromparitra Afrika Atsimo nanomboka ny aogositra 2021 ka hatramin’ny jolay 2022, notohanan’i Diane vadiny. Notohanana voalohany ho Manampahefana Ambony ny Loholona Golden tamin’ny 2001 ary nanomboka teo dia nanompo tao amin’ny andraikitra maromaro izy, anisan’izany ny Tale Mpanatanteraka tao amin’ny Departemantan’ny Fisoronana sy ny Fianakaviana, Mpanolotsaina Voalohany sy Faharoa tao amin’ny Vondromparitra Afrika Andrefana, Filohan’ny Vondromparitra Eorôpa Atsinanana, ary ny fanendrena azy teo aloha, Filohan’ny Vondromparitra Afrika Atsimo Atsinanana nanomboka tamin’ny aogositra 2005 ka hatramin’ny aogositra 2009.

Taorian’ny asa fanompoana tamim-pahatokiana nandritra ny roapolo taona mahery dia nisaorana tamin’ny naha- Manampahefana Ambony azy ny Loholona Golden ary lasa mpikambana ao amin’ny Fitopololahy nahavita ny asany tamim-pahamendrehana. Mirary soa ho azy sy Rahavavy Diane izahay mba hahazo ny fifaliana sy ny fitahiana rehetra azo avy amin’ny asa fanompoana nandritra ny androm-piainan’izy ireo.

Hamoaka printy