2022
Vavaka voavaly ho an’ny efitrano fianarana tao Môzambika
Septambra 2022


Vaovao eto an-toerana

Vavaka voavaly ho an’ny efitrano fianarana tao Môzambika

Ny Fiangonana sy ny mpiara-miombon’antoka aminy dia manolo ireo efitrano fianarana vonjimaika any amin’ireo sekoly sahirana ho trano biriky sy rihitra mba hanatsarana ny fampianarana.

Mpianatra an-jatony manerana ny faritanin’i Maputo izao no afaka mianatra am-pilaminana taorian’ny nanorenan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ireo efitrano fianarana vaovao sy azo ampiasaina ao Môzambika.

Ny tetikasa dia niarahana niasa tamin’ny No Poor Among Us, fikambanana tsy mitady tombony izay tarihin’i Josh Phillips, izay nanao asa fitoriana ho an’ny Fiangonana tany Môzambika taona maro lasa izay.

Miatrika fanamby amin’ny fanabeazana ny firenena. Na dia misoratra any amin’ny sekoly ambaratonga fototra aza ny 94%-n’ny ankizivavy any Môzambika, dia mihoatra ny antsasany no miala hatramin’ny kilasy fahadimy, ny 11% ihany no manohy mianatra any amin’ny ambaratonga faharoa, ary ny 1% monja no manohy ny fianarana any amin’ny oniversite, araka ny voalazan’ny The United States Agency for International Development, masoivoho tsy miankina iray izay miandraikitra ny fitantanana ny fanampiana avy any ivelany sy ny fanampiana ho an’ny fampandrosoana. Amin’ireo mpianatra nahavita sekoly ambaratonga fototra dia efa ho ny roa ampahatelony no miala amin’ny rafitra tsy manana fahaizana mamaky teny sy manoratra ary kajy fototra, izay nampanahy an’i Phillips.

Raha niahiahy ny amin’ny fahabetsahan’ny mponina sy ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa any an-tsekoly, izay zavatra miantraika amin’ny kalitaon’ny fanabeazana an’ireo mpianatra an-jatony ao Môzambika, dia nitady ny fanampiana tamin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany i Phillips. Fotoana fohy taorian’izay dia nitsidika ireo toeram-pianarana isan-karazany niaraka tamin’ireo manampahefana momba ny fampianarana teo anivon’ny Faritany i Phillip Moatlodi, mpitantana ny fizakan-tena ao amin’ny sampandraharahan’ny Fifanampiana ao amin’ny Vondromparitra Afrika Atsimo, mba hanombanana ny haratsian’ireo sekoly.

Ny tetikasa voalohany nokarakarain’izy ireo dia ny Matole Gare Primary School (sekoly ambaratonga voalohany). “Tsy tsara ny toe-java-nisy talohan’ny nanombohan’ilay tetikasa,” hoy ny fanehoan-kevitr’i Moatlodi. “Nanomboka nanangana efitrano fianarana roa ireo ray aman-dreny mba hanatsarana ny toe-javatra niainan’ireo zanany, saingy noho ny fiantraikan’ny Covid-19 dia tsy nahavita ny efitrano fianarana izy ireo.”

Mpamatsy vola tsy miankina no namatsy vola ny fanorenana efitrano fianarana telo ary ny Fiangonana no namatsy vola ny roa fanampiny.

Taorian’izay dia nifanesy nanomboka namantatra ireo sekoly hafa mila fanampiana ny Fiangonana sy ny No Poor Among Us.

Sekoly kely sahirana any ambanivohitr’i Mahubo no nampiana efitrano fianarana dimy. Mpianatra 900 eo ho eo izao no azo raisina noho io ezaka io.

“Isaky ny avy ny orana dia tsy maintsy amboarina ny sekoly”

Ny sekoly iray hafa nahazo fanampiana dia ny Magude Primary School. Hoy i Phillips: “Nianatra tao anaty sekolim-potaka ny ankizy tao amin’ny sekoly ambaratonga voalohany.” “Isaky ny avy ny orana dia mirodana ny sekoly ary tsy maintsy arenina indray ny sekoly. Vokany, very ny antsasany mahery tamin’ny andro nianarany ireo mpianatra, isan-taona.”

Afaka nanolo ireo trano vonjimaika ho efitrano fianarana vita amin’ny biriky sy rihitra ny Fiangonana, ary nanorina efitra fandroana ihany koa.

Dia ny Picoco Primary School indray avy eo, izay nisy ankizy 1 300 nampianarina tao amin’ny efitrano fianarana anankitelo monja.

Hoy i Gilberto Albano Chiburee, talen’ilay sekoly: “Ny tantaran’ireo ankizy ireo sy ny efitrano fianarana telo monja dia tena manohina ny fo.

Tany am-boalohany ireo efitrano fianarana telo tao amin’ilay sekoly dia nandray mpianatra 200. “Saingy tao anatin’ny fotoana fohy dia niroborobo ny vondrom-piarahamoninay,” hoy i Chiburee.

Nitombo hatrany ny isan’ny mpianatra. Voatery nizara ireo mpianatra ho telo mitovy ilay sekoly ambaratonga voalohany, ny vondrona voalohany ny maraina, ny faharoa ny tolakandro, ary ny vondrom-pianatra fahatelo ny hariva.

“Hazo no nampiasainay ho efitrano fianarana vonjimaika”

Rehefa nihoatra ny 500 ny isan’ny mpianatra dia fantatr’i Chiburee sy ireo mpampiany fa tsy maintsy manao zavatra hafa izy ireo. Nanatona fikambanana tsy mitady tombontsoa, ny fanjakana ary orinasa izy ireo mba hangataka fanampiana, saingy tsy nisy vokany.

Koa nanomboka namboly hazo àry i Chiburee sy ny mpiasany.

“Nampiasainay ho efitrano fianarana vonjimaika ireo hazo ireo satria tsy nanana safidy hafa izahay. Nitady fanampiana tamin’ny orinasa isan-karazany, fikambanana tsy mitady tombom-barotra ary ny governemanta izahay saingy tsy nahomby,” hoy i Chiburee.

Vao mainka niharatsy izany toe-javatra izany rehefa niakatra hatrany ny isan’ny mpianatra nisoratra anarana tao amin’ilay sekoly. Natao laharam-pahamehana ny kilasy voalohany sy faharoa nianatra tao anaty efitrano fianarana, raha toa ka nianatra teny ambany hazo kosa ny kilasy fahatelo ka hatramin’ny fahafito.

“Tohina ny foko nahita ireo zaza tonga vao maraina tamin’ny 6 ka nipetraka tamin’ny tany mafy sy tsy mahazo aina mandra-pahatongan’ny mitataovovonana. Nanomboka narary lamosina ny ankizy sasany”, hoy i Chiburee tamim-pihetseham-po.

Nahare ny momba ilay sekoly avy eo Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, niaraka tamin’ny No Poor Among Us, ary nandamina ny hananganana efitrano fianarana dimy vaovao.

Tamin’ny fientanam-po lehibe sy fisaorana be dia be ary ranomaso avy amin’ny mpampianatra sy ny mpianatra ary ny mponina no nandraisana ilay vaovao momba ny fananganana efitrano fianarana dimy. Naneho ny fankasitrahany i Chiburee fa tsy hisy mpianatra ao amin’ny sekoly halefa hody noho ny orana na ny rivotra.

Tombanana ho vita amin’ny faran’ny volana jona amin’ity taona ity ilay tetikasa. Mpianatra 900 fanampiny no horaisina.

“Hatramin’izao ny Fiangonana sy ny No Poor Among Us dia nanome toerana ho an’ny mpianatra 2 340”, hoy i Phillips. “Nanome toerana ho an’ny tetikasa an’arivony hafa fanampiny ao Môzambika ihany koa ny Fiangonana izay nifampiraharahany mivantana tamin’ireo sekoly.”

Hamoaka printy