2022
Raiso ny Fanafiana Masinao
Septambra 2022


Songadina avy ao amin’ny Boky Torolalana

Raiso ny Fanafiana Masinao

Efa nandre ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana na ireo mpikamban’ny Fiangonana nandrisika anao mba “hiomana handray ny fanafiana masinao” ve ianao? Mety manontany tena ianao hoe inona moa izany. Ny Boky Torolalan’ny Fiangonana maneran-tany dia manazava izany.

“Ny teny hoe fanafiana masina dia midika hoe ‘fanomezana iray’”, hoy ny Boky Torolalan’ny Fiangonana maneran-tany. “Ny fanafiana masina any amin’ny tempoly dia fanomezana ara-bakiteny avy amin’ Andriamanitra izay hitahiany ny zanany. Any amin’ny tempoly masina ihany no azo handraisana ny fanafiana masina. Anisan’ireo fanomezana raisin’ny mpikambana amin’ny alalan’ny fanafiana masina any amin’ny tempoly ireto:

  • “Fahalalana lehibe kokoa momba ireo tanjona sy fampianaran’ny Tompo.

  • “Hery hanaovana izay rehetra tian’ny Ray any An-danitra ataon’ny zanany.

  • “Fitarihana avy amin’ Andriamanitra rehefa manompo ny Tompo, ny fianakavian’izy ireo, ary ny hafa.

  • “Fanantenana, fankaherezana, ary fiadanana nampitomboina.”

Rehefa manakaiky ny daty fahatsiarovana ny faha-herintaonan’ny batisanao ianao, dia nandroso hevitra ny Boky Torolalan’ny Fiangonana maneran-tany ny hanaovana ireto zavatra manaraka ireto hiomanana amin’ny fanafiana masinao.

Voalohany, atombohy amin’ny fanatrehana ireo kilasy fiomanana ho an’ny amin’ny tempoly.

Faharoa, manaova fotoana hanaovana dinidinika amin’ny eveka hahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

Fahatelo, manapaha hevitra amin’ny daty handraisana ny fanafiana masinao.

Tena traikefa vaovao sy mampientanentana ny fandraisana ny fanafiana masinao. Mety hanana fanontaniana ianao mialoha ny handehananao, na mety ho aorian’izany mihitsy aza. Lamina fianarana izany na ho an’ireo olona efa tany imbetsaka aza. Hitombo ny fahatakaranao rehefa manohy miverimberina any amin’ny tempoly ianao.

Hamoaka printy