Ny tantaran’ny Paska lehibe indrindra notantaraina hatramin’izay
Jereo amin’ny fahazavana vaovao ny Bokin’i Môrmôna ary diniho ny fijoroana ho vavolombelona lalina ananany momba ny fisian’i Kristy nitsangana tamin’ny maty.
Taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany momba ny Paska
Mety ho tsaroanareo fa nahare taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany novakina tao amin’ny paroasy na sampana misy anareo ianareo herinandro maromaro lasa izay. Izany taratasy izany dia nanambara fa amin’ny alahady ho avy, dia ny alahadin’ny Paska izany, ny paroasy sy sampana rehetra dia hiangona ho an’ny fivoriana fanasan’ny Tompo ihany, ka hamela fotoana fanampiny hanaovana fitsaohana any an-trano miaraka amin’ny fianakaviana mba hankalazana io fety manan-danja indrindra io.1
Nisarika ny saiko ilay taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, ary nahatonga ahy hisaintsaina ny fomba nankalazan’ny fianakavianay ny Paska nandritra ny taona maro izany. Arakaraka ny nieritreretako ireo fomba nankalazanay izany no vao mainka nahatonga ahy hisaintsaina lalina sao nahenanay tsy nahy ny lanjan’ny tena dikan’io fety io, izay tena manan-danja amin’ny mpino rehetra an’i Jesoa Kristy.
Fombafomba mahazatra amin’ny Krismasy sy Paska
Ireo eritreritra ireo dia nitarika ahy hisaintsaina ny fahasamihafana misy eo amin’ny fomba nankalazanay ny Krismasy raha oharina amin’ny Paska. Rehefa desambra dia toa vitanay ihany ny mampiditra ireo fifaliana avy amin’ny “lakolosy kely” sy ny ba kiraro ahantona rehefa Krismasy, ary ny fanomezana miaraka amin’ireo fomba fanao hafa natao am-piheverana kokoa, toy ny fikarakarana ireo izay sahirana, ny fihirana ireo hira Krismasy sy hira avy ao amin’ny fihirana ankafizinay, ary mazava ho azy ny fanokafana ny soratra masina ka mamaky ny tantaran’ny Krismasy ao amin’ny Lioka 2. Isan-taona rehefa mamaky io tantara mahafinaritra avy ao amin’ny Baiboly lehibe efa tranainy io izahay, dia manao zavatra izay mety efa fanaon’ny fianakavianao ny fianakavianay: mitafy servieta eo amin’ny lohanay sy ny sorokay ary manao akanjo lava fentina mandro mba hanehoana an’i Josefa sy i Maria ary ireo olona maro tonga hitsaoka an’i Jesoa zazakely, ary mamerina ny tantara sarobidin’ny Krismasy momba ny nahaterahan’ny Mpamonjy izahay.
Somary hafa kely anefa ny fankalazana ataon’ny fianakavianay rehefa Paska. Tsapako fa niantehitra bebe kokoa tamin’ny “fankanesana any am-piangonana” ny fianakavianay mba hanomezana ilay ampahany manan-danja sy mifototra amin’i Kristy amin’ny Paska; ary avy eo izahay mianakavy dia nivory mba hiaraka hanao fombafomba hafa mifandray amin’ny Paska. Tena tiako ny nijery ny zanakay ary ankehitriny ny zafikelinay mihaza atodin’ny Paska sy mikaroka ao anatin’ireo haron’ny Paska.
Saingy antso fanairana ilay taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany. Tsy vitan’ny hoe nanasa antsika rehetra izy ireo mba haka antoka fa ny fankalazantsika ilay zavatra manan-danja indrindra nitranga teto an-tany, ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, dia ahitana ny fanajana mendrika ny Tompo, fa izy ireo koa dia nanome antsika fotoana bebe kokoa miaraka amin’ny fianakaviantsika sy ny namantsika amin’ny alahadin’ny Paska mba hanaovana izany.
Ireto tenin’ny Mpaminany Joseph Smith ireto dia manampy sahan-kevitra fanampiny amin’ny lanjan’ireo zava-nitranga manodidina ny Paska: “Ny fitsipika fototry ny finoantsika dia ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny Apôstôly sy ny Mpaminany mikasika an’i Kristy, izay milaza fa maty sy nalevina Izy ary nitsangana tamin’ny maty ny andro fahatelo ary niakatra any an-danitra; ary ireo zavatra hafa mikasika ny finoantsika dia fanampin’izany fotsiny ihany.”2
Nifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’ny fianakavianay manao zavatra tsaratsara kokoa mandritra ny vanim-potoan’ny Paska izaho sy i Lesa. Angamba ny fanontaniana napetrakay tamin’ny tenanay dia fanontaniana iray izay azontsika rehetra saintsainina: Ahoana no fomba hampitoviantsika ny fampianarana sy ny fankalazana ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, ny tantaran’ny Paska, amin’ny fifandanjana sy fahafenoana ary fomba fanao ara-pivavahana mitovy, amin’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy, ilay tantaran’ny Krismasy?
Toa miezaka avokoa isika rehetra. Hitako ny fitomboan’ny ezaka ataon’ny Olomasin’ny Andro Farany mba hananana Paska mifototra kokoa amin’i Kristy. Tafiditra ao anatin’izany ny fanekena bebe kokoa sy voahevitra tsara kokoa ny Alahadin’ny Sampan-kazo sy ny Zoma Masina araka ny fanaon’ny havantsika Kristianina sasany. Azontsika atao ihany koa ny manaraka ireo fombafomba amin’ny Paska mifototra amin’i Kristy izay hita ao amin’ireo kolontsaina sy fomba fanao any amin’ireo firenena maneran-tany.
Nanome soso-kevitra toy izao i N. T. Wright, manam-pahaizana mpandalina ny Testamenta Vaovao: “Tokony hanao dingana hankalazana ny Paska amin’ny famoronana fomba vaovao isika: amin’ny zavakanto, haisoratra, lalaon’ny ankizy, tononkalo, mozika, dihy, fety, lakolosy, fampisehoana manokana. … Io no fety lehibe indrindra ankalazaintsika. Esory ny Krismasy, dia ho very toko roa eo anoloan’ny Matio sy Lioka ianao ao amin’ny Baiboly, ary izay fotsiny ihany no ho very. Esory ny Paska, dia tsy hanana Testamenta Vaovao ianao; tsy hanana ny kristianisma ianao.”3
Ny Paska, ny Baiboly ary ny Bokin’i Môrmôna
Mankamamy ny Baiboly isika noho izay rehetra ampianariny antsika momba ny fahaterahan’i Jesoa Kristy, ny asa fanompoana nataony, ny Fanomboana Azy, ary ny Fitsanganany tamin’ny maty. Tsy misy teny telo mitondra fanantenana sy vokatra mandrakizay ho an’ny olombelona rehetra mihoatra noho ireo teny nolazain’ny anjely avy any an-danitra tamin’ny marainan’ny Paska tao amin’ilay Fasana anaty saha: “Efa nitsangana Izy.”4 Feno fankasitrahana lalina isika noho ny soratra masina ao amin’ny Testamenta Vaovao izay mitahiry ny tantaran’ny Paska sy ny asa fanompoan’ny Mpamonjy tamin’ny Paska tany Jodia sy Galilia.
Rehefa nanohy nisaintsaina sy nitady fomba hanitarana ny fomba hankalazan’ny fianakavianay ny Paska mba hifantoka bebe kokoa amin’i Kristy izaho sy i Lesa, dia nifanakalo hevitra izahay hoe inona ny fombafomba mahazatra eo amin’ny famakiana soratra masina izay azonay hatomboka ao amin’ny fianakavianay, ilay mitovy amin’ny Lioka 2 ho an’ny Paska raha lazaina amin’ny fomba hafa.
Ary avy eo dia nandray izao fanambarana avy any an-danitra izao izahay: Ankoatra ireo andininy manan-danja momba ny Paska ao amin’ny Testamenta Vaovao, isika amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika dia nomena fanomezana tena miavaka amin’ny Paska! Fanomezana tenivavolombelona tsy manam-paharoa, testamenta iray hafa momba ny fahagagan’ny Paska izay angamba mirakitra ny soratra masina momba ny Paska mahatalanjona indrindra eo amin’ny Kristianisma manontolo. Mazava ho azy fa ny Bokin’i Môrmôna no resahiko, ary indrindra indrindra, ny tantaran’i Jesoa Kristy niseho tamin’ny mponina tao amin’ilay Tontolo Vaovao tao anatin’ny voninahiny nitsangana tamin’ny maty.
Ny Mpaminany Joseph Smith dia namaritra ny Bokin’i Môrmôna ho “ny boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany,”5 ary manomboka amin’ny 3 Nefia 11, izany dia mitantara ny tantara mahatalanjona momba ny fitsidihan’i Kristy nitsangana tamin’ny maty an’ireo Nefita, ny asa fanompoan’ny Mpamonjy nandritra ny Paska. Ireo soratra masina momba ny Paska ireo, dia mijoro ho vavolombelona momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy Tompo tamin’ny maty.
Ao amin’ireo toko ireo dia niantso mpianatra roa ambin’ny folo i Kristy, nampianatra tahaka ny nataony tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra, nanambara fa efa nanatanteraka ny lalàn’i Mosesy Izy ary naminany momba ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany. Nanasitrana ny marary Izy ary nivavaka ho an’ny olona amin’ny fomba be voninahitra izay “tsy misy lela afaka miteny, tsy misy olona koa afaka manoratra, tsy hain’ny fon’ny olona koa ny misaintsaina ny zavatra lehibe sy mahatalanjona tokoa toy ny nahitanay sy ny nandrenesanay an’i Jesoa niteny; ary tsy misy afaka misaintsaina ny fifaliana izay nameno ny fanahinay tamin’ny fotoana nandrenesanay Azy nivavaka tamin’ny Ray ho anay.”6
Amin’ity Paska ity, ny fianakavianay dia hifantoka amin’ireo andininy miisa 17 voalohany ao amin’ny 3 Nefia 11, izay efa mahazatra anareo. Tsaroanareo ny valalabemandry sesehena nanodidina ny tempoly tao an-tanin’i Soafeno izay nandre ny feon’ Andriamanitra Ray ary nahita an’i Jesoa Kristy nidina avy tany an-danitra mba hanolotra ilay fanasana mahafinaritra indrindra amin’ny Paska:
“Mitsangàna ary mankanesa aty Amiko, … mba hahazoanareo mitsapa ny diam-pantsika amin’ny tanako sy amin’ny tongotro mba hahafantaranareo fa Izaho no … Andriamanitry ny tany manontolo, ary efa novonoina noho ny fahotan’izao tontolo izao.
“Ary… dia nandroso ny valalabemandry, … tsirairay … ary hitany tamin’ny masony sy notsapainy tamin’ny tanany, … ary vavolombelona manambara izy ireo fa Izy no Ilay …
“Ary … dia niantso tamin’ny feo tokana izy ireo, nanao hoe:
“Hosana! Hotahiana anie ny anaran’ Andriamanitra Avo Indrindra! Ary lavo teo an-tongotr’i Jesoa izy ireo sy nitsaoka Azy.”7
Alaivo sary an-tsaina hoe: nikasika ny tanan’ny Tompo nitsangana tamin’ny maty tokoa ireo Nefita teo amin’ny tempoly! Manantena izahay ny hanao ireo toko ao amin’ny 3 Nefia ireo ho ampahany tokoa amin’ny fomba amam-panaonay amin’ny Paska tahaka ny Lioka 2 amin’ny fomba amam-panaonay amin’ny Krismasy. Raha ny marina, ny Bokin’i Môrmôna dia mizara ny tantaran’ny Paska lehibe indrindra notantaraina hatramin’izay. Aoka tsy ho ny tantaran’ny Paska lehibe indrindra tsy notantaraina izany.
Manasa anareo aho mba hijery ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fahazavana vaovao sy handinika ny fijoroana ho vavolombelona lalina ananany momba ny fisian’i Kristy nitsangana tamin’ny maty ary koa ny harena fonosin’ny fotopampianaran’i Kristy sy ny halalin’izany.
Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna
Mety hanontany isika hoe: Ahoana no ahafahan’ny famakiana soratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny Paska mitahy ny fiainantsika sy ny an’ireo olona lalaintsika amin’ny fomba manan-danja? Mihoatra noho izay mety ho takatry ny olona iray. Isaky ny mamaky sy mandalina ny Bokin’i Môrmôna isika dia afaka manantena vokatra miavaka.
Vao haingana izaho sy i Lesa no nanatrika famangiana noho ny fahalasan’ny namana akaiky iray, vehivavy nanam-pinoana izay namoy ny ainy noho ny aretina. Nivory niaraka tamin’ny fianakaviany sy ny namany akaiky izahay, nifanakalo fahatsiarovana mahafinaritra momba an’io olona mahafinaritra io izay nameno zava-tsoa ny fiainanay.
Raha teo am-pijoroana lavidavitra ny vatam-paty niresadresaka tamin’ny olona hafa aho dia nahatsikaritra ankizivavy roa tao anatin’ny sokajin-taonan’ny ankizy ao amin’ny Kilonga nanatona ny vatam-paty ary nanakatra nijoro tamin’ny lohan-drantsan-tongony, ka ny sisin’izany ihany no hitan’ireo masony, mba hanome voninahitra farany ny nenitoany malalany. Tsy nisy olon-kafa teo akaiky teo, ka niondrika teo anilan’izy ireo i Lesa mba hanome fampiononana sy fampianarana. Nanontaniany hoe, manao ahoana izy ireo ary nanontaniany raha fantatr’izy ireo hoe aiza ny nenitoany izao. Nizara ny alahelony izy ireo, saingy avy eo ireo zanakavavy sarobidin’ Andriamanitra ireo, tamim-pahatokiana feno teo amin’ny mason’izy ireo, dia nilaza fa fantany fa faly izao ny nenitoany ary afaka miaraka amin’i Jesoa izy.
Tao anatin’izany taona maha-zaza azy ireo izany, dia nahita fiadanana tao amin’ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana izy ireo, ary tamin’ny fombany manokana fanaon’ny ankizy dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny tena fisian’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty sy ny hakanton’izany izay tsotra. Fantatr’izy ireo tao am-pony izany noho ny fampianaran’ny ray aman-dreny be fitiavana sy ny fianakaviana ary ireo mpitarika ao amin’ny Kilonga izay mamboly voan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fiainana mandrakizay. Noho izy ireo nanam-pahendrena lehibe kokoa raha oharina amin’ny taonany, ireo zatovovavy ireo dia nahatakatra fahamarinana izay tonga amintsika amin’ny alalan’ny hafatry ny Paska sy ny asa fanompoan’ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty ary ny tenin’ireo mpaminany izay voalaza ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.
Nahatsikaritra aho fa rehefa manome Bokin’i Môrmôna ho fanomezana ho an’ny olona avy amin’ny antokom-pinoana hafa ny Filoha Russell M. Nelson, anisan’izany ireo mpitondra eo anivon’izao tontolo izao, dia matetika izy no mankao amin’ny 3 Nefia ary mamaky momba ny nisehoan’i Kristy nitsangana tamin’ny maty tamin’ireo Nefita. Amin’ny alalan’ny fanaovana izany dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy velona ny mpaminany velona.
Tsy afaka mijoro mba ho vavolombelon’i Jesoa Kristy isika raha tsy rehefa afaka mijoro ho vavolombelona momba Azy. Ny Bokin’i Môrmôna dia vavolombelona iray hafa momba an’i Jesoa Kristy satria manerana ny pejiny masina ireo mpaminany nifandimby dia tsy mijoro ho vavolombelona fotsiny fa ho avy i Kristy fa hoe tena tonga tokoa Izy.
Noho i Jesoa Kristy
Ity ety an-tanako ity dia tahadika irain’ny Bokin’i Môrmôna izay natonta voalohany. Manohina ny foko foana ny mihazona izany. Nandritra ny ankamaroan’ny fiainako nony lasa olon-dehibe dia variana sy talanjona tamin’ny zavatra nataon’i Joseph Smith fony izy tanora mba handikana sy hamoahana ity boky soratra masina ity aho. Mahavariana ny mandinika ireo fahagagana tsy maintsy nitranga.
Saingy tsy izany no antony mahatonga ity boky ity hanohina ny foko. Satria ity boky ity, mihoatra noho izay rehetra navoaka teto an-tany, dia mijoro ho vavolombelona momba ny fiainan’i Jesoa Kristy, ny asa fanompoana nataony, ny fampianarany, ny Sorompanavotany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty. Ry rahalahy sy anabavy malalako, ny fandalinana tsy tapaka ity boky momba an’i Jesoa Kristy ity dia hanova ny fiainanao. Hanokatra ny masonao amin’ny fahafahana vaovao manao zavatra izany. Hampitombo ny fanantenanao izany ary hameno anao amin’ny fiantrana. Ankoatra izany rehetra izany, dia hanorina sy hanamafy orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy izany ary hanome anao fahalalana azo antoka fa Izy sy ilay Raintsika dia mahafantatra anao sy tia anao ary maniry anao hahita ny lalanao miverina mody, ary hamafisiko tsara, any An-tranontsika any An-danitra.
Ry rahalahy sy anabavy malala, tonga ny fotoana, izay nambaran’ny mpaminany fahiny hoe: “ka ny fahalalana ny Mpamonjy dia hiely patrana eran’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary mponina tsirairay.”8 Hitantsika eo imasontsika ny fahatanterahan’io faminaniana io, amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.
Tsy misy boky mampiseho bebe kokoa fa:
-
Noho i Jesoa Kristy dia niova ny zava-drehetra.
-
Noho Izy dia tsara kokoa ny zava-drehetra.
-
Noho Izy dia azo fehezina ny fiainana, indrindra fa ireo fotoana mampahory.
-
Noho Izy dia azo tanterahina ny zava-drehetra.
Ny fitsidihany amin’ny maha-Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty Azy, izay nampahafantarin’ Andriamanitra Ray, dia hafatra momba ny Paska be voninahitra sy feno fandresena. Izany dia hanampy ny fianakaviantsika hahazo fijoroana ho vavolombelona manokana momba an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Azy, izay nanapaka ny famatoran’ny fahafatesana.
Faranako izany amin’ny fijoroako ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny maha-Zanak’ Andriamanitra velona an’i Jesoa Kristy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.