2023
Loholona Robert M. Daines
Mey 2023


“Loholona Robert M. Daines,” Liahona, mey 2023.

Loholona Robert M. Daines

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Ny Loholona Robert M. Daines dia mpisolovava sy prôfesora nampianatra momba ny fandraharahana tao Stanford University fony izy nantsoina ho mpampianatra seminera isa-maraina.

Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany nandritra ny androm-piainana azy, ny Loholona Daines dia nahafanatra ny filazantsara saingy nisy zavatra momba ny antsony izany nanosika azy handalina ny soratra masina tsy toy ny taloha. I Ruth vadiny dia nilaza fa natory aloha izy ary nifoha tamin’ny 4 ora maraina noho izy nila adiny telo mba hiomanana ho an’ny lesona ampianariny isan’andro amina mpianatra miisa 15.

“Manan-talenta ny olona sasany; ny sasany mila miasa mafy,” hoy izy. “Ao anatin’ny sokajin’ireo mila miasa mafy aho.”

Nilaza ny Loholona Daines fa nandalina tamin-kitsim-po ny soratra masina nandritra ny ora maro izy isan’andro noho izy naniry ny hahafantatra sy hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy ka hanampy ny mpianany avy eo hamboly izany fifandraisana izany koa. Nisy fiantraikany nahery vaika teo amin’ny finoany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany ny zavatra niainany nandritra ny folo taona.

“Tsapako ho toy ny tena niova fo sy lasa nahafantatra an’i Jesoa Kristy aho tamin’ny naha-mpampianatra seminera ahy tao Palo Alto, Californie,” hoy ny Loholona Daines, izay notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony vaovao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2023.

I Robert Merrill Daines dia naterak’i Robert Henry Daines III sy i Janet Lundgren Daines tamin’ny 28 jolay 1964, tao Bloomington, Indiana, États-Unis. Lehibe tao Provo, Utah izy ary nanambady an’i Ruth Ann Glazier tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake tamin’ny volana desambra 1988. Manan-janaka dimy izy ireo.

Nahazo mari-pahaizana tao amin’ny Brigham Young University ny Loholona Daines talohan’ny nahazoana mari-pahaizana momba ny lalàna tao amin’ny Yale University. Mpiara-miombon’antoka tao amin’ny Godman Sachs izy ary avy eo dia nampianatra tao New York University sy Yale. Nandritra ireo roapolo taona lasa, ny Loholona Daines dia filoha lefitra zokiny (doyen adjoint) sy Prôfesora mpampianatra lalàna sy fandraharahana tao amin’ny Stanford University.

Misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno tao amin’ny Misiônan’i Zurich Suisse ny Loholona Daines. Anisan’ireo antsony taloha tato am-piangonana ireto antsony: filohan’ny tsatòka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, eveka ary mpitarika tao amin’ny garderie. Filohan’ny tsatòka izy tamin’ny fotoana nahazoany ny antsony.

Hamoaka printy