2023
Rahavavy Tamara W. Runia
Mey 2023


“Rahavavy Tamara W. Runia,” Liahona, mey 2023.

Rahavavy Tamara W. Runia

Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany

Hatramin’izay niainany, ny Rahavavy Tamara (Tammy) W. Runia dia nanana antso maro samihafa, mpampianatra tao amin’ny kilasy fianarana soratra masina teo anivon’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana teo anivon’ny tsatòka, mpitarika niaraka tamin’ny vadiny tao amin’ny Misiônan’i Sydney Australie, saingy teo anivon’ny Zatovovavy no nanompoany be indrindra.

“Tiako daholo ny antso rehetra nanompoako hatramin’izay,” hoy ny Rahavavy Runia, izay efa filohan’ny Zatovovavy teo anivon’ny tsatòka ihany koa. Saingy nampiany hoe, “Tsy maintsy lazaiko fa ao amin’ny Zatovovavy no mampahazo aina ahy.”

Nilaza ny Rahavavy Runia fa efa mihoatra ny in-20 no nanatrehany ny Lasin’ny Zatovovavy. Indray taona aza izy nasaina mba hanatrika izany ka hitana ny anjara asa ana mpitarika ny fihobiana mandritra ny lasy.

Tiany ny zatovovavy rehetra hahafantatra ny halehiben’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra azy ireo. “Lehibe toy ny lanitra sy lalina toy ny ranomasimbe” izany fitiavana izany hoy izy. Ny Ray any An-danitra, hoy izy nanampy, dia “maniry ny hiverenan’izy rehetra hiverina [any Aminy].”

Nilaza izy fa ny fahatsapana io fifandraisana io dia hanova fiainana ho an’ny zatovovavy “satria nitranga tamiko izany.”

Ny Rahavavy Runia dia naterak’i Vincent Alma Wood sy i Gail Hilton Wood tamin’ny 2 martsa 1961, tany Concord, Californie, États-Unis. Lehibe tao Walnut Creek, Californie izy.

Taona voalohany tao amin’ny Brigham Young University izy, nianatra momba ny fampitam-baovao sy ny asa fanaovan-gazety, raha nihaona tamin’i R. Scoot Runia. Nivady tamin’ny 1981 tao amin’ny Tempolin’i Oakland Californie izy ireo. Manan-janaka 7 izy ireo ary monina ao Provo, Utah ankehitriny.

Notohanana ho Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany ny Rahavavy Runia nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny volana aprily. Hanomboka ny fanompoany izy ny 01 aogositra.

Ankoatra ny fanompoany tato amin’ny Fiangonana, izy dia 20 taona niasana tao amin’ny komity misahana ny Sakafo sy fandrindrana ny fanampiana tao Provo, izay manome loharanom-pivelomana ho an’ny olona tsy manan-kialofana sy kely fidiram-bola.

Hamoaka printy