2023
Loholona Ahmad S. Corbitt
Mey 2023


“Loholona Ahmad S. Corbitt,” Liahona, mey 2023.

Antso vaovao

Loholona Ahmad S. Corbitt

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Nilaza ny Loholona Ahmad S. Corbitt fa ny fanompoana nanerana izao tontolo izao tamin’ny naha-mpanolotsaina azy tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany dia nanampy tamin’ny fahatongavana ho amin’ny antsony vaovao izay manome “fahafahana lehibe kokoa hihaino amim-pitandremana sy amim-pinoana kokoa ny tari-dalana sy ny toromarika avy amin’ny mpaminany sy ny apôstôly.”

Rehefa voantso hanompo ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany tamin’ny aprily 2020 ny Loholona Corbitt, dia niara-niasa tamin’ireo mpitarika ny zatovo hafa nandritra izay telo taona lasa izay mba hampatanjahana ny taranaka vao misondrotra sy hanasana azy ireo handray anjara mavitrika amin’ny asa fanavotana sy ho an’ny fisandratana.

“Heveriko fa tsy hihena mandrakizay ny fahatsapako maika mba hampatanjaka ny taranaka vao misondrotra,” hoy izy. “Ho mpitarika tsara kokoa noho isika izy ireo noho izy ireo hihalehibe ao anatin’ny fahafahana hanao ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny fomba avo sy masina kokoa.”

I Ahmad Saleem Corbitt, izay 60 taona, dia naterak’i James Earl Corbitt sy i Amelia Corbitt tamin’ny 16 aogositra 1962, tao Philadephie, Pennsylvanie, États-Unis. Tamin’ny faha-18 taonany i Ahmad no niditra ho mpikamban’ny Fiangonana, nanaraka niditra tao amin’ny ranon’ny batisa avy eo ny reniny sy ny iray tampo aminy sasany. Natao batisa ny raikeliny ny taona nanaraka izany.

Rehefa avy nianatra tao amin’ny Ricks College (Brigham Young University–Idaho ankehitriny) sy nanompo tany amin’ny Misiônan’i San Juan Porto Rico tamin’ny 1982 ka hatramin’ny 1984 izy dia nahita an’i Jayne Joslin nandritra ny dia iray nankany amin’ny tempoly nokarakaraina ho an’ny tanora tokan-tena. Nivady tamin’ny volana aogositra 1985 tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy roa. Manan-janaka enina izy ireo.

Ny Loholona Corbitt dia nahazo diplaoma avy ao amin’ilay oniversite izay fantatra ankehitriny amin’ny hoe Stockton University izay ao New Jersey sy avy ao amin’ny Rutgers University School of Law. Izy dia efa filohan’ny Misiônan’i Saint-Domingue Atsinanana République Dominicaine, filohan’ny tsatòka sy mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka indroa ary mpanolotsaina avo.

Ny Loholona Corbitt dia efa mpisolovava tany amin’ny toeram-pitsarana, sy niasa teo amin’ny sehatry ny fifaneraserana amin’ny daholobe sy ny fanjakana, efa talen’ny Biraon’ny Fiangonana misahana ny raharaham-pifandraisana amin’ny eo an-toerana sy any ivelany tao New York ary efa manam-pahaizana momba ny fikarakarana ny dia fanatanterahana iraka eo anivon’ny vondromparitra.

Hamoaka printy