2023
Ireo zavatra nisongadina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-taona faha-193
Mey 2023


Tonga soa ato amin’ity laharana ity

Ireo zavatra nisongadina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-taona faha-193

“Novokisana ara-panahy isika nandritra izay roa andro lasa izay,” hoy ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny famaranana ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-taona faha-193 an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (jereo ny pejy 127). Tao anatin’izany sakafo izany ny torohevitra mba hakatsika tahaka an’i Jesoa Kristy Mpamonjy, dia ny fanoloana ny fifandirana amin’ny fiantrana sy ny fangorahana ary ny filaminana (jereo ny Filoha Nelson, pejy 98; jereo koa ny Loholona Christofferson sy Soares, pejy 77 sy 85).

“Androany aho dia manasa anao mba handinika ny maha-mpianatra anao ao anatin’ny sahan-kevitry ny fomba fitondranao ny hafa. “Mitsodrano anareo aho mba hanao izay fanovana mety ilaina atao mba hahatonga ny fitondrantenanareo ho mendrika, feno fanajana, ary maneho an’ilay mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy” (pejy 98)

Niara-nanambara tamin’ny Filoha Nelson ny mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana fa ny valin’ireo fanontaniana ananantsika, ny valin’ireo olantsika sy ireo fahadisoam-panantenantsika ary ireo fahavoazana mianjady amintsika dia hita ao amin’ireo ohatra nataon’i Jesoa Kristy, ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary ny Fitsanganany tamin’ny maty. Izy izay manolotra antsika “ilay fanomezana fiadanana” (Filoha Eyring, pejy 29; jereo koa ny Filoha Oaks, pejy 102; Filoha Johnson, pejy 81; ary ny Loholona Meurs, pejy 39). Namporisika antsika ireo mpandahateny mba hifantoka amin’ny Mpamonjy (jereo ny Loholona Camargo, pejy 64), hitsaoka Azy (jereo ny Loholona Stevenson, pejy 6), hanatona Azy (jereo ny Filoha Cordon, pejy 10), hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba Azy (jereo ny Filoha Ballard, pejy 105), hanompo toy ny ho nanompoany (jereo ny Loholona Gong sy Uceda, pejy 16 sy 70), ary hanatsara ny maha-mpianatra antsika (jereo ny Loholona Bednar, Rasband, ary Bragg, pejy 123, 108 ary 60).

Namporisika antsika ihany koa ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana mba hankamamy ny tsodranon’ny patriarika noraisintsika. Ireo izay mbola tsy nandray ny tsodranon’ny patriarika ho azy ireo dia notoroina hevitra mba hivavaka momba ny “fotoana mety” mba handraisana izany (jereo ny Loholona Bennett sy Yamashita, pejy 42 sy 88).

Ny Filoha Nelson, izay nanambara ny fanorenana tempoly vaovao miisa 15, dia nampahatsiahy antsika hoe: “I Jesoa Kristy no antony ananganantsika tempoly” (pejy 127; jereo koa ny Loholona Renlund, De Hoyos sy Duncan, pejy 35, 52 ary 95).

Nanohana Fitopololahy Manampahefana Ambony dimy vaovao sy Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany vaovao ary mpikambana iray vaovao ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany isika, raha naneho fisaorana kosa avy amin’ny fo ireo izay nisaorana na hisaorana amin’ny 1 aogositra 2023.

Rehefa mamerina mandinika ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany sy mandalina ireo hafatra ary “mandinika ireo fahamarinana nampianarina” (Filoha Nelson, pejy 127) isika dia hiaraka hahatsapa, miaraka amin’ireo izay nandaha-teny, faniriana hiresaka an’i Kristy, hifaly amin’i Kristy, hitory an’i Kristy, ary hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy (jereo ny 2 Nefia 25:26).

Hamoaka printy