Iray ao amin’i Kristy
Amin’ny alalan’ny fahatokiantsika manokana an’i Jesoa Kristy sy ao anatin’izany ihany no ahafahantsika manana fanantenana ny ho iray.
Araka ny efa nomarihan’ny Filoha Dallin H. Oaks teo, anio no alahadin’ny Sampan-kazo, fiantombohan’ny Herinandro Masina izay manamarika ny nidiran’ny Tompo tamim-boninahitra tao Jerosalema, ny nijaliany tao Getsemane sy ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana andro vitsy monja taorian’izay, ary ny Fitsanganany tamin’ny maty feno voninahitra ny Alahadin’ny Paska. Aoka isika hanapa-kevitra ny tsy hanadino mihitsy ny zavatra niaretan’i Kristy mba hanavotana antsika.1 Ary aoka isika tsy hamery mihitsy ilay fifaliana safononoka izay ho tsapantsika indray amin’ny Paska, raha handinika ny fandreseny tamin’ny fasana sy ny fanomezan’ny fitsanganana amin’ny maty ho an’ny rehetra.
Ny takariva nialohan’ny fitsarana sy ny fanomboana izay niandry an’ny Jesoa, dia niaraka nihinana ny sakafon’ny Paska tamin’ireo Apôstôliny Izy. Tamin’ny fiafaran’io Fanasana Farany io, tao anatina vavaka masina ho an’ny mpianany no nitalahoan’i Jesoa tamin’ny Rainy araka izao teny izao: “Ray masina ô, tehirizo … amin’ny anaranao [ireo Apôstôliko] izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika.”2
Avy teo, tamim-pitiavana no nanitaran’ny Mpamonjy ny fitalahoany ho an’ireo mpino rehetra:
“Nefa tsy ho an’ireto ihany no angatahako, fa ho an’izay mino Ahy koa noho ny teniny;
“Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao Aminao, mba ho ao amintsika koa izy.”3
Ny ho tonga iray dia lohahevitra miverimberina ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy eo amin’ny fifandraisan’ Andriamanitra amin’ireo zanany. Raha ny mikasika ny tanànan’i Ziona tamin’ny andron’i Enôka dia voalaza fa “izy ireo dia iray fo sy iray saina.”4 Mikasika ireo Olomasina tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tany am-piandohana, dia izao no raketin’ny Testamenta Vaovao: “Niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino.”5
Hoy ny Tompo, tamin’izao fotoampitantanantsika izao: “Lazaiko aminareo, aoka ho iray ianareo; ary raha tsy iray ianareo dia tsy ahy.”6 Anisan’ireo antony nomen’ny Tompo fa nahatonga an’ireo Olomasina voalohany tao Missouri tsy afaka nanorina toerana ho an’i Ziona dia noho izy ireo “tsy miray hina araka ny firaisan-kina takin’ny lalàn’ny fanjakana selestialy.”7
Rehefa manjaka ao amin’ny fo sy saina rehetra Andriamanitra dia voalaza ho “iray, zanak’i Kristy”8 ny vahoaka.
Rehefa niseho tamin’ireo mponina fahiny tao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty, dia nambarany ny tsy fankasitrahany fa nisy fifanjihirana tany aloha teo anivon’ny vahoaka mikasika ny batisa sy ny zavatra hafa. Nandidy Izy hoe:
“Ary tsy hisy fifanjihirana eo anivonareo, toy izay efa nisy hatrizao; tsy hisy koa fifanjihirana eo anivonareo, momba ny lafiny amin’ny fotopampianarako toy izay efa nisy hatrizao.
“Fa lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, izay manana ny fanahin’ny fifandirana dia tsy Ahy fa an’ny devoly kosa, izay rain’ny fifandirana.”9
Eo amin’ny tontolo misy antsika izay faran’izay mpifanditra, ahoana no hahatrarana firaisan-kina, indrindra ato amin’ny Fiangonana izay tokony iainantsika ilay hoe “iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa”?10 Omen’i Paoly antsika ny fanalahidy:
“Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy.
“Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy.”11
Samy hafa loatra isika ary indraindray be loatra ny tsy fitovian-kevitra ka tsy afaka hitambatra ho iray raha zavatra hafa no ifotorana, na raha ao amina anarana hafa. Ao amin’i Jesoa Kristy ihany no ahafahantsika ho tena iray.
Ny fahatongavana ho iray ao amin’i Kristy dia miainga amin’ny tsirairay, ka samy manomboka amin’ny tenany isika tsirairay. Olona roa lafy isika, vatana sy fanahy, izay indraindray miady ao anatintsika ao. Araka ny nambaran’i Paoly hoe:
“Fa finaritra amin’ny lalàn’ Andriamanitra aho, raha ao anatiko ao.
“Nefa mahita lalàna hafa amin’ny momba ny tenako aho, miady amin’ny lalàn’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalàn’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako.”12
I Jesoa koa dia olona vatana sy fanahy. Notsapaina Izy; mahatakatra izay manjo Izy; afaka manampy antsika Izy hahatratra izany firaisan-kina ao anaty izany.13 Noho izany, miainga avy amin’ny fahazavan’i Kristy sy ny fahasoavany isika ka miezaka mampanjaka ny fanahintsika sy ny Fanahy Masina amin’ny vatana. Rehefa manao fahadisoana isika dia i Kristy, amin’ny alalan’ny Sorompanavotany, no nanome antsika ny fanomezan’ny fibebahana sy ny fahafahana hamerina hiezaka indray.
Raha toa ka samy “mitafy an’i Kristy” isika tsirairay dia afaka manantena ho lasa iray isika rehefa mitambatra, tahaka ny nambaran’i Paoly, dia “ilay vatan’i Kristy.”14 Azo antoka fa hita ao amin’ilay hoe “mitafy an’i Kristy” ny fanaovana ilay “did[iny] lehibe sady voalohany”15 ho fanolorantenantsika voalohany sady lehibe indrindra, ka raha tia an’ Andriamanitra isika dia hitandrina ny didiny.16
Mitombo ny firaisan-kina amin’ireo rahalahy sy anabavintsika ao amin’ny vatan’i Kristy rehefa mitandrina ilay didy faharoa isika, izay mifandray tsy azo sarahina amin’ilay voalohany, dia ny mitia ny hafa tahaka ny tenantsika.17 Ary inoako fa ho firaisankina vao mainka lafatra kokoa no ho eo amintsika raha arahintsika ilay fanehoan’ny Mpamonjy amin’ny fomba ambony sy masina kokoa an’io didy faharoa io, dia ny mifankatia tsy tahaka ny hitiavantsika ny tenantsika ihany fa tahaka ny nitiavany antsika.18 Raha fehezina dia hoe “ny olona tsirairay dia hikatsaka ny tombontsoan’ny namany sy hanao ny zava-drehetra amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra.”19
Ny Filoha Marion G. Romney, mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidiana Voalohany taloha, raha nanazava ny fomba ahazoana fiadanana sy firaisankina maharitra, dia nilaza hoe:
“Raha misy olona iray, mihaino an’i Satàna, ka feno ny asan’ny nofo, dia misy ady ataony ao anatin’ny tenany ao. Raha olona roa dia sady samy misy ady ao anatin’ny tenany avy, no mifampiady izy roa. Raha olona maro, dia fiarahamonina iray no [mijinja] ny vokatry ny fikorontanana sy fifandirana lehibe. Raha ireo mpitondra ao amin’ny firenena iray no mihaino, dia misy fifandirana mahenika an’izao tontolo izao.”
Notohizan’i Filoha Romney hoe: “Satria afaka mihatra manerana ny tontolo rehetra ny asan’ny nofo dia toy izany koa ny filazantsaran’ny fiadanana. Raha miaina izany ny olona iray dia manana fiadanana ao anatiny izy. Raha miaina izany ny olona roa dia samy manana fiadanana ao anatiny izy tsirairay, ary eo amin’izy samy izy ihany koa. Raha miaina izany ny olom-pirenena rehetra dia hisy fiadanana anatin’ny firenena iray. Rehefa misy maro ireo firenena miaina ny vokatry ny Fanahy mba hifehezana ny raharaha eto amin’izao tontolo izao, dia amin’izay ary izay ihany, vao hangina ny akon’ireo ady maro. … (Jereo ny Alfred Lord Tennyson, “Locksley Hall,” The Complete Poetical Works of Tennyson, ed. W. J. Rolfe, Boston: Houghton-Mifflin Co., 1898, p. 93, andalana 27–28.)”20
Rehefa “mitafy an’i Kristy” isika dia lasa azo atao ny mandravona na manilika ireo fahasamihafana sy tsy fitovian-kevitra ary ireo ady. Hita teo amin’ny tantaran’ny Fiangonantsika ny ohatra goavana iray maneho ny fandresena ny fisaraham-bazana. Ny Loholona Brigham Henry Roberts (fantatra kokoa amin’ny anarana hoe B. H. Roberts), teraka tany Angletera tamin’ny 1857, dia mpikambana tao amin’ny Filankevitra Voalohan’ny Fitopololahy—izay antsoina ankehitriny hoe Fiadidian’ny Fitopololahy. Ny Loholona Roberts dia mpiharo mahavita azy sy tsy mety vizana ny filanzantsara naverina tamin’ny laoniny sy ny Fiangonana tamin’ny sasany tamin’ireo fotoan-tsarotra indrindra nolalovany.
Kanefa tamin’ny 1895, dia notandindomin-doza ny asa fanompoan’ny Loholona Roberts tato amin’ny Fiangonana noho ny fifandirana. I B. H. dia voatendry ho solontenan’antoko hamolavola lalam-panorenana ho an’i Utah rehefa lasa fanjakana i Utah. Taty aoriana dia nanapa-kevitra izy hirotsaka ho fidiana ho ao amin’ny Antenimieran’i Etazonia, saingy tsy nampandre na niera tamin’ny Fiadidiana Voalohany. Ny Filoha Joseph F. Smith, izay mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nanome tsiny an’i B. H. noho ny tsy nanaovana izany, nandritra ny fivoriamben’ny fisoronana. Resy tamin’ny fifidianana ny Loholona Roberts ary nahatsapa izy fa ny ampahany lehibe indrindra nahatonga ny fahareseny dia ireo teny nolazain’ny Loholona Smith. Nitsikera ireo mpitariky ny Fiangonana izy tamin’ireo lahateny sy tafa sy dinika ara-politika sasany. Nisintaka tamin’ny fanompoana mavitrika tato am-piangonana izy. Nandritra ny fivoriana lavabe iray tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake niarahana tamina mpikambana tao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Filankevitry ny Roambinifololahy dia niziriziry hatrany i B. H. nanamarin-tena. Taty aoriana dia “nomen’ny Filoha [Wilford] telo herinandro ny [Loholona Roberts] hamerenana handinika ny heviny. Ka raha mbola tsy nibebaka izy dia hisaoran’izy ireo tsy ho ao amin’ny Fitopololahy.”21
Tamin’ny fivoriana mitokana iray taty aoriana niaraka tamin’ireo Apôstôly isany Heber J. Grant sy Francis Lyman, dia tsy nilefitra aloha tany am-boalohany i B. H., saingy nanjaka ihany nony farany ny fitiavana sy ny Fanahy Masina. Nirotsaka ny ranomasony. Vitan’ireo Apôstôly roa ny nandravona ireo zavatra sasany noraisina ho famelezana sy fanafintohinana izay nanahiran-tsaina an’i B. H., ary antso fampihavanana tamin-kitsim-po no nisarahan’izy ireo. Ny ampitso maraina, taorian’ny vavaka lava dia lava, dia nandefa hafatra tamin-dry Loholona Grant sy Lyman ny Loholona Roberts nilaza fa vonona izy hikambana indray tamin’ireo rahalahiny.22
Rehefa tafahaona tamin’ny Fiadidiana Voalohany ny Loholona Roberts taty aoriana, dia nilaza hoe “Nanadina ny Tompo aho ary nahazo fahazavana sy torolalana tamin’ny alalan’ny Fanahiny hanoa ny fahefan’ Andriamanitra.”23 Nentanin’ny fitiavany an’ Andriamanitra i B. H. Roberts ka nitoetra ho mpitariky ny Fiangonana mahatoky sy mahay hatrany amin’ny farafofonainy.24
Hitantsika amin’io ohatra io koa fa ny firaisan-kina dia tsy midika hoe manaiky fotsiny fa ny tsirairay dia tokony hanao izay saim-patany na handeha araka izay tiany. Tsy afaka ny ho iray isika raha tsy samy manao ezaka isika rehetra ho an’ny fotokevitra iombonana. Izay midika, araka ny tenin’i B. H. Roberts, hoe manoa ny fahefan’ Andriamanitra. Ampahany samy hafa ao amin’ny vatan’i Kristy isika, manatanteraka andraikitra samy hafa amin’ny fotoana samy hafa, ny sofina, ny maso, ny loha, ny tanana, ny tongotra, kanefa samy an’ny vatana iray daholo.25 Noho izany ny tanjontsika dia ny “mba tsy hisy fisarahana eo amin’ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra.”26
Tsy mitaky fitoviana ny firaisankina, fa tena mitaky firindrana. Afaka mifamatotra amim-pitiavana ny fontsika, ho iray eo amin’ny finoana sy fotopampianarana, kanefa manohana ekipam-panatanjahantena samy hafa, tsy mitovy hevitra eo amin’ny olana ara-pôlitika, mifanakalo hevitra momba ireo tanjona sy ny fomba tsara hahatratrarana azy ireny, ary ny zavatra tahaka izany maro hafa. Saingy tsy azontsika atao mihitsy ny mifanditra amim-pahatezerana na mifamaly. Hoy ny Tompo:
“Fa lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, izay manana ny fanahin’ny fifandirana dia tsy Ahy fa an’ny devoly kosa, izay rain’ny fifandirana, ary mamoky ny fon’ny olona izy mba hifanditra amim-pahatezerana, izy samy izy.
“Indro, tsy fotopampianarako ny mamoky ny fon’ny olona ho tezitra ka hifanohitra izy samy izy; fa izao kosa no fotopampianarako dia ny hampitsaharana ny zavatra toy izany.”27
Tamin’ny taon-dasa teo dia niangavy antsika ny Filoha Russell M. Nelson nilaza hoe: “Tsy misy amintsika afaka mifehy firenena na mifehy ny zavatra ataon’ny hafa na dia ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika aza. Saingy afaka mifehy ny tenantsika isika tsirairay. Ny antso ataoko anio, ry rahalahy sy anabavy malala isany, dia ny hampitsaharana ireo fifandirana izay mirongatra ao am-ponareo, sy ao an-tokantranonareo, ary eo amin’ny fiainanareo. Aleveno avokoa izay fironana rehetra handratra ny hafa, na izany fisafoahana, na teny tsy voalanjalanja, na lolompo amin’olona izay nandratra anao. Nandidy antsika ny Mpamonjy hanolotra ny takolaka ilany [jereo ny 3 Nefia 12:39], sy hitia ny fahavalontsika, ary hivavaka ho an’ireo izay manararaotra antsika [jereo ny 3 Nefia 12:44].”28
Averiko indray, fa amin’ny alalan’ny fahatokiantsika manokana ao amin’i Jesoa Kristy sy ny fitiavantsika Azy ihany no hahafahantsika manantena ho iray. Iray ao anaty, iray ao an-tokantrano, iray ato am-piangonana, ary amin’ny farany iray ao Ziona, ary ambonin’ny zavatra drehetra, iray amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Miverina amin’ireo zava-nitranga ny Herinandro Masin’ny Kristiana aho, sy ny fandresena faratampon’ilay Mpanavotra antsika. Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia vavolombelon’ny maha Andriamanitra Azy ary koa ny hoe nandresy ny zava-drehetra Izy. Ny Fitsanganany tamin’ny maty dia vavolombelona fa raha miray Aminy ao amin’ny fanekempihavanana isika, dia ho afaka koa handresy ny zava-drehetra ary ho tonga iray. Ny Fitsanganana tamin’ny maty dia vavolombelona fa noho Izy dia tena misy ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay.
Androany maraina aho dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Fitsanganana amin’ny maty ara-bakiteny sy ny zavatra rehetra izay aterak’izany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.