2023
Rahalahy Michael T. Nelson
Mey 2023


“Rahalahy Michael T. Nelson,” Liahona, mey 2023.

Rahalahy Michael T. Nelson

Mpanolotsaina faharoa ao amin’ny fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany

Ho an’ny Rahalahy Michael T. Nelson, ny fotoana nanompoany tamin’ny naha-filohan’ny misiôna azy dia nanamafy fa ny fampianarana fitsipika marina ny taranaka vao misondrotra sy ny fametrahana fitokiana amin’izy ireo avy eo amin’ny fampiharana izany, dia sady hiteraka ny vokatra tsara indrindra ho an’ny asa fitoriana ny filazantsara no hiteraka vokatra tsara indrindra eo amin’ny fiainan’ny misiônera tsirairay.

“Miompana amin’ny fitokiana ilay izy. Nianatra ny hatoky azy ireo izahay,” hoy izy raha niresaka momba ireo misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno tao amin’ny misiônan’i San Bernardino, Californie, izay naha-mpitarika teo anivon’ny misiôna an-dry Nelson ny taona 1998 ka hatramin’ny 2001.

Nilaza ny Rahalahy Nelson fa ny fianarana, sy ny fanomezana ny zatovo fahafahana hitarika, dia nitoetra ho ampahany feno mandrafitra ny fanompoany ato amin’ny Fiangonana hatrizay ary mbola ho toy izany ihany amin’ity antsony vaovao ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany ity. Nandritra ny telo taona lasa, ny Rahalahy Nelson dia nanompo tamin’ny naha- mpitantsoratra mpanatanteraka azy tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany. Nandritra ny roa taona talohan’izay izy dia mpikambana tao amin’ilay antsoina ankehitriny hoe Filankevitra mpanoro hevitra an’ny Zatovolahy maneran-tany.

I Michael Terry Nelson dia naterak’i Monte Cannon sy i Viola Eliza Nelson tamin’ny 10 jona 1956, tao Salt Lake City, Utah, États-Unis ary lehibe tao ao amin’ny faritr’i Salt Lake izy. Taorian’ny nanompoany tao amin’ny Misiônan’i Santiago Chili, dia nianatra momba ny serasera eo anivon’ny orinasa tao amin’ny Brigham Young University izy sy tao amin’ny University of Utah. Nivady izy sy i Barbara Fluckiger tamin’ny 1982, tao amin’ny Tempolin’i Jordan River. Nipetraka tany Sandy Utah ny fianakaviana Nelson talohan’ny nifindrany tany Wallsburg, Utah. Manan-janaka sivy izy ireo.

Tale misahana ny lafiny ara-bola ana orinasa iray misahana ny varotra sy ny fananan-tany sy trano fonenana ary ny fampiasam-bola ny Rahalahy Nelson. Ny fianakaviana Nelson, tafiditra ao anatin’izany ireo zanaka anankiroa izay mipetraka ao an-trano, dia mampihodina toeram-piompiana kely ihany koa eo amin’ny faritra misy ny tranon’izy ireo. Tokony ho manan-danja amin’ny zatovo ny manan-javatra atao sy manao zavatra ivelan’ny trano, hoy ny Rahalahy Nelson, satria izany hatrizay no zavatra niainan’ny fianakaviany.

Efa filohan’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, mpitantsoratra mpanatanteraka teo anivon’ny tsatòka sy eveka ary filohan’ny zatovolahy teo anivon’ny paroasy sy tsatòka ny Rahalahy Nelson. Izy dia nanampy tamin’ny hetsika fanangonam-bola sy fanoratana anarana ary ny fampitaovana tamin’ny 1997 ho an’ny fankalazana ny faha-dimampolo amby zato taonan’ny andian-tsarety izay nanaovana fampisehoana ny dia nataon’ny vondron’ny mpisava lalana voalohany nankany amin’ny lemak’i Salt Lake.

Hamoaka printy