2023
Loholona J. Kimo Esplin
Mey 2023


“Loholona J. Kimo Esplin,” Liahona, mey 2023.

Loholona J. Kimo Esplin

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Volana vitsy talohan’ny nitoriany ny filazantsara ny Loholona J. Kimo Esplin dia tratran’ny lozam-piarakodia izay namono ny rainy. Vola vitsy taorian’izay, niaraka tamin’ny reniny izay nipetraka teo akaikiny, dia nodomin’ny fiara iray avy tao afara ny fiarany. Nivadibadika ilay fiara ka maty ny reniny sy ny zanakavavin’ny anabaviny.

Na dia teo aza ireo fahafatesana sy alahelo niainany dia nihevitra ny tenany ho voatahy ny Loholona Esplin. Noho ny amin’ny Tompo sy ny hatsarany ary ny indrafony no niavian’izany fahatsapana izany aminy.

“Tsara ny fiainana hatrizay,” hoy izy.

Iray amin’ireo oha-pitenenana tiany indrindra ny hoe: “Tsy manao an’izany anao ny Tompo; manao izany ho anao Izy.”

Taorian’ny fahafatesan’ny ray aman-dreniny, dia nanampy ny zokiny vavy ka nandefa azy nianatra tany ivelany tany amin’ny Ivon-toeran’i Brigham Young University tany Jerosalema. Tany no nahitany an’i Kaye Davis.

Lasa mpinamana akaiky izy roa raha nitoby tany an-tany efitr’i Sinay ny vondron’izy ireo, niasa tany amina valan’akondro ary niara-nandalina ny Testamenta Taloha sy Vaovao.

Rehefa niverina tany Provo, Utah izy ireo dia nanomboka nifankahafantatra. Nivady tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy ireo tamin’ny volana desambra 1985. Manan-janaka valo izy ireo.

I Jon Ross Kimo Esplin dia teraka tamin’ny 18 aogositra 1962 tany Kahuku, Hawaï, États-Unis. Izy no faralahy sy lahitokana tamin’ireo zanaka valon’i Ross S. Sy i Olive Ora Moody Esplin.

Nahazo diplaoma momba ny fiandraiketan-toe-bola avy amin’ny Brigham Young University izy tamin’ny 1987. Taorian’ny namindrany ny fianakaviany tany Chicago, Illinois dia nanomboka niasa teo amin’ny sehatry ny banky misahana fampiasam-bola izy ary nahazo mari-pahaizana maîtrise momba ny fitantanana orinasa.

Rehefa lasa filoha lefitra mpanatanteraka sy tale misahana ny lafiny ara-bola tao amin’ny Huntsman Corporation ny Loholona Esplin dia nipetraka vetivety tany Belgique ny fianakaviana talohan’ny nanorenany fonenana tao Cottonwood Heights, Utah.

Ny Loholona Esplin, izay Fitopololahin’ny Vondromparitra tamin’ny fotoana niantsoana azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony, dia efa filohan’ny Misiônan’i Tokyo, Japon sy ny Misiônan’i Toyo Atsimo, Japon. Fony izy misiônera tanora nanompo tamin’ny fotoana feno dia nanompo tany amin’ny Misiônan’i Kobe, Japon izy. Izy koa dia efa filohan’ny tsatòka sy mpikambana tao amin’ny filankevitra avo ary eveka.

Hamoaka printy