2023
Tatitra 2022: Mikarakara ireo izay mila fanampiana
Mey 2023


Tatitra 2022: Mikarakara ireo izay mila fanampiana

Ny tatitra isan-taonan’ny Fiangonana momba ny fikarakarana ireo izay mila fanampiana ho an’ny taona 2022 dia mampiseho fa fandaniana mihoatra ny 1 lavitrisa dôlara, 6,3 tapitrisa ora nanaovana asa an-tsitrapo ary tetikasa fanampiana olona miisa 3.692 izay natao tany amina firenena sy faritra miisa 190 no tafiditra tao anatin’ity asa ity.

Ny vola dia nampiasaina tany amin’ny fanampiana avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina, asa fanampiana olona, entana zaraina avy amin’ny trano fitehirizan’ny eveka sy ny avy amin’ny magazain’ny Deseret Industries ary fanaovana hetsika toy ny toeram-piompiana sy fambolena, trano fanodinan-tsakafo, Sampan-draharaha mpanoro hevitra momba ny fianakaviana, ary ny ivon-toerana misahana ny fanampiana amin’ny asa.

Anisan’ny fanampiana ara-bola lehibe indrindra natolotry ny Fiangonana tamin’ny 2022 ny 32 tapitrisa dôlara nomena ny Programme Alimentaire Mondial (PAM) sy ny 5 tapitrisa nomena ny fandaharan’asa ara-tsakafo maneran-tany ataon’ny UNICEF, izay manampy ireo zaza tsy ampy sakafo.

“Malemy fanahy sy tsara fanahy amin’ny zaza i Jesoa,” hoy i Camille N. Johnson Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany nandritra ny fanambarana ny fanampiana natolotra ny PAM. “Mitomany Izy mahita azy ireo mosarena. Ary mahafaly Azy na dia ny ezaka bitika indrindra atao aza mba hanampiana azy ireo.”

Tafiditra ao anatin’ny fanampiana lehibe iray hafa ny 5,1 tapitrisa dôlara nomena ny Vokovoko Mena Amerikana (ankoatra ny kitapon-drà miisa 1 tapitrisa mahery nomen’ny Olomasin’ny Andro Farany) ary 5 tapitrisa dôlara nomena ny Rotary International ho an’ny vaksiny hiadiana amin’ny lefakozatra sy ny tetanosy ho an’ny vehivavy mitondra vohoka sy ny zaza vao teraka.

Nitondra anjara biriky ara-bola goavana koa ny Fiangonana tamin’ny fanampiana ireo olona nianjadian’ny loza voajanahary sy ny fifandonana mitam-piadiana izay mitombo isa. Tafiditra ao anatin’izany ny fanampiana ireo mpitsoa-ponenana avy any Ukraine; ireo tafavoaka velona taorian’ny tsunami tany Tonga; ireo tra-boina vokatry ny tafio-drivotra tany Kentucky, Floride sy Afrique du Sud; ary ireo tra-boina vokatry ny ady an-trano tany amin’ny République Démocratique du Congo.

“Mampihetsi-po ny mahita ny fitiavana sy ny finiavana hanampy,” hoy i Julia, mpikamban’ny Fiangonana iray any Autriche izay nanampy ireo mpitsoa-ponenana avy amin’ny firenena maro manerana an’i Europe Atsinanana. “Lasa nifanakaiky am-po ny olona.”

Nanampy tamin’ny fampidirana herinaratra tao amin’ny vondrom-piarahamonina Navajo tao Utah ihany koa ny Fiangonana ary nisy mpikamban’ny Fiangonana niara-niasa tamin’ny Sikhs tamina tetikasa fanaovana asa fanompoana tany Émirats Arabes Unis. Niara-niasa tamin’ny NAACP (Fikambanana nasiônaly ho an’ny fampandrosoana ny olona samy hafa volon-koditra) ny Olomasin’ny Andro Farany tamina tetikasa fanaovana asa fanompoana eo anivon’ny fiarahamonina ho an’ireo renim-pianakaviana tao Memphis ao Tennessee, États-Unis sy ireo izay mila sakafo ara-pahasalamana any San Francisco, Californie. Ary ny milina fandrotsahana fanomezana Hazavao izao tontolo izao dia nahangona vola hividianana sakafo sy kojakoja hafa ho an’ireo nila fanampiana tany amina toerana miisa 28 manerana izao tontolo izao.

Tafiditra tao anatin’ireo ora 6,3 tapitra nanaovana asa an-tsitrapo tamin’ny 2022 ny asa fanompoana tany amina toeram-piompiana, toeram-pambolena hazo fihinam-boa sy ny fitahirizana sakafo am-bifotsy ary tany amin’ireo mangazain’ny Deseret Industries; iraka notontosaina hikarakarana ireo izay nila fanampiana; ary fanadiovana taorian’ny loza voajanahary.

Ankoatra ireo tetikasa fanampiana olona miisa 3.692, dia nisy tetikasa vaovao fanaovana asa fanompoana nokarakarain’ny JustServe.org, sehatra an-jotra an’ny Fiangonana ho an’ny fanaovana asa an-tsitrapo izay misy any amin’ny firenena miisa 14. Mampifandray ny olona amin’ireo fahafahana hanao asa fanompoana tandrify ny zavatra mahaliana azy ireo sy ny toerana misy azy ireo io fitaovana io.

“Hetsika sy fomba ahafahantsika miaina ny fanekempihavanantsika,” sy “ahafahantsika mitahy sy manamafy orina ny fiarahamonina [misy antsika]” no niantsoan’ny eveka, Gérald Caussé, Eveka mpiahy ny JustServe (ao amin’ny “The Blessings Will Follow: Benefits of Implementing JustServe” [horonan-tsary], ChurchofJesusChrist.org).

Nanohy ny hetsika nataony ho fandraisana an-tanana ny fikolokoloana ny tontolo iainana ihany koa ny Fiangonana. Hatramin’ny 2018, ny Foiben’ny Fiangonana dia nampihena ny fandanian-drano ataony isan-taona ho 144 tapitrisa litatra. Trano Fiangonana mihoatra ny 500 maneran-tany ankehitriny no manana takela-masoandro mpamokatra angovo avy amin’ny masoandro. Namokatra kojakoja miisa 73 tapitrisa vita avy amin’ny zavatra nahodina ny Deseret Industries. Ary nanodina taratasy, vy sy baoritra ary plastika nananika ny 4.000 taonina ny Ivon-toerana Fanontana sy Mpaninjara an’ny Fiangonana.

Hamoaka printy