2023
Manompo any amin’ny firenena maro ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana
Mey 2023


Mitohy ny asa fanompoana ataon’ireo Apôstôly maneran-tany

Nitsidika an’i Suisse, Autriche sy Albanie ary Hongrie ny Loholona David A. Bednar tamin’ny ôktôbra 2022. Tany Soisa izy dia nifampiresaka tamin’ireo diplômaty ambony toerana teo anivon’ny Firenena Mikambana (U.N.) sy ireo solontenana fikambanana maneran-tany izay miara-miasa amin’ny Fiangonana amin’ireo tetikasa fanampiana olona. Tany amin’ireo firenen-kafa kosa izy dia nihaona tamin’ireo mpikambana, izay ny ankamaroan’izy ireo dia mpisava lalan’ny Fiangonana tao ao amin’ireo firenena ireo.

“Mifanerasera amin’ny Olomasina izay manangana fototra ho an’ny Fiangonana izay haharitra ho an’ny taranaka maro mifandimby izahay,” hoy izy.

Avy teo amin’ny ivon-toerana ho an’ny mpitsidika ny Tempolin’i São Paulo ny Loholona Ronald A. Rasband tamin’ny 10 nôvambra 2022 no nandray anjara tamina fampitana mivantana tamin’ny Facebook mba hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy.

“Tsarovy mandrakariva fa i Jesoa Kristy no ilay Mpanjakan’ny mpanjaka. Izy no Tompon’ny maro ary ilay Andrian’ny fiadanana,” hoy ny Loholona Rasband nijoro ho vavolombelona.

Tamin’ny nôvambra ihany koa ny Loholona Gary E. Stevenson dia nandray fitenenana nandritra ny G20 Religion Forum (Fivoriambe iraisam-pinoana), tany Bali Indonésie. Niteny izy fa afaka mamaha ireo olana misy eo amin’izao tontolo izao amin’ny fomba tsara indrindra ireo antokom-pinoana rehefa “tsy mivadika amin’ireo fitsipika fototra ao aminy izy ireo kanefa tarihina fahatakarana sy fahalalana avy amin’ Andriamanitra.”

Ny Filoha M. Russell Ballard, Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia niresaka tamin’ireo misiônera tao amin’ny Ivon-toerana Fanofanana Misiônera any Mexique tamin’ny volana desambra 2022 ary nijoro ho vavolombelona ny amin’ny “tombontsoa avy amin’ny fanambarana amin’izao tontolo izao fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra ny olombelona rehetra.”

Nitsidika kilasin’ny seminera iray tany Californie, États-Unis ny Loholona Jeffrey R. Holland ary niresaka tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana miteny espaniôla tao amin’ireo tsatòka valo manodidina an’i Ventura, Californie, tamin’ny volana desambra 2022. Sady niteny anglisy izy no niteny espaniôla. Namporisika ireo mpikambana izy mba hifantoka amin’ny zatovo ary niangavy ireo zatovo sy mpitarika nanatrika tao mba ho misiônera dieny izao satria “Velona Andriamanitra, ry rahalahy sy anabavy, velona Andriamanitra. Marina ny Fiangonana.”

Ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia niresaka tamin’ireo mpikambana sy naman’ny Fiangonana tany Illinois, Indiana sy Wisconsin, États-Unis, tamin’ny 11 febroary 2023. Avy tao amin’ny ivon-toeran’ny tsatòka tao Wilmette, Illinois, no niresahany tamin’ireo tsatòka miisa 14 tamin’ny alalan’ny fampitana ilay fivoriana. Ny ampitso harivan’io izy dia niresaka tamina zatovo sy tanora manodidina ny 900 izay nivory tao amin’ny Ivon-toeran’ny Tsatòkan’i Rockford Illinois. Nampitaina tany amina faritra hafa tao Illinois, Indiana sy Wisconsin ilay fivoriana.

Nandray ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ireo mpikambana sy mpanao asa fanompoana an-tsitrapo an’ny Fiangonana tany Inde tamin’izy nitsidika an’i New Delhi, Hyderabad sy i Bengaluru ny 6 ka hatramin’ny 17 febroary. “Tianay i Inde sy ny olona ao aminy,” hoy ny Loholona Uchtdorf nihiaka. “Tohina tokoa ny fonay ary talanjona izahay.”

Nampianatra ny Olomasina tany Madagascar sy Zambie ary Mozambique ny Loholona Quentin L. Cook nandritra ny fitsidihany tamin’ny volana febroary. Olona izay tsy mpikamban’ny Fiangonana mihoatra ny 500 isa no nanatrika ny fihaonambe mitambatry ny tsatòka tany Maputo, Mozambique mba hihaino ny tenin’ny Apôstôly. “Koa satria nisy maro be ireo izay tsy mpikambana ao amin’ny fiangonantsika nanatrika nandritra ny fivoriana Alahady dia nampifanarahanay tamin’ny toe-java-misy ny hafatray mba hahafaoka ireo fitsipika ara-potopampianarana ka hamela fahitana amin’ny ankapobeny ny filazantsara, sy hampahafantatra ny maha-zava-dehibe ny fisian’ny mpaminany ary hanorina finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany,” hoy ny Loholona Cook.

Tamin’ny volana febroary ny Loholona D. Todd Christofferson dia nitsidika ireo mpikambana tany Ghana, Nigéria sy Côte d’Ivoire ary Libéria nandritra ny fitsidihany ny Vondromparitra Afrika Andrefana izay naharitra 12 andro. Tafiditra tao amin’ilay dia ny fihaonana tamin’ny filoham-pirenen’i Ghana. Nifampiresaka momba ny fifantohan’ny roa tonta amin’ny fanabeazana izy ireo ka niresaka momba ny fandaharan’asa BYU–Pathway Worldwide sy ny Toeram-pivoriana.

Nitsidika an’i Honduras, Belize, Panama sy Nicaragua ary Guatemala ny Loholona Dale G. Renlund tamin’ny volana febroary. Niara-dia tamin’ny Loholona Renlund i Ruth vadiny. Nandritra ny fitsidihany dia nankany amin’ny hôpitalin’i Nicaragua izy ka ny Rahavavy Renlund kosa dia nanampy tamin’ny fizarana ireo fitaovam-pidiovana sy fitafiana nomen’ny Fiangonana ho an’ireo mpifindra monina tany Honduras.

Tamin’ny volana martsa, ny Loholona Neil L. Andersen dia nitsidika an’i Brésil ka nihaona tamin’ireo mpitarika sivily tsara laza izy tany, nitsidika ilay Tempolin’i Brasília Brésil izay hotokanana atsy ho atsy ary nampianatra sy nijoro ho vavolombelona tamin’ireo mpikambana sy ireo misiônera ary ireo mpitarika manerana ny firenena. Nandritra ilay fitsidihana, izy sy ny Rahavavy Kathy Andersen dia nihaona tamin’ny vadin’ny filoham-pirenen’i Brésil.

Nandritra ny fitsidihany tamin’ny volana martsa tany Mexique, ny Loholona Gerrit W. Gong dia nihaona tamin’i Adán Augusto López, minisitry ny ati-tanin’i Mexique. I López no manampahefana faharoa ambony indrindra ao amin’ny governemanta ao Mexique. Nandritra ny fivoriana iray tao amin’ny foiben’ny Ministeran’ny Ati-tany, ny Loholona Gong dia niresaka momba ireo ezaka ataon’ny Fiangonana amin’ny fanamafisana orina ny fianakaviana any Mexique. “Amin’ny alalan’ny fanaovana izany no andraisanay anjara amin’ny fanamafisana orina ny fiarahamonina,” hoy izy.

Namporisika ny Olomasin’ny Andro Farany tany amin’ny Vondromparitra Pacifique ny Loholona Ulisses Soares mba hihazona ny fifantohan’izy ireo amin’i Jesoa Kristy. “Rehefa mampifantoka ny fiainantsika amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy isika sy milofo mba hiaina ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, dia afaka ny hahita fiadanana sy fitsaharana ary fifaliana lalandava isika mandritra ny androm-piainantsika,” hoy izy nandritra ny fitsidihana nataony tany Nouvelle Zélande sy Tonga ary Fidji.

Hamoaka printy