Mey 2023 Ireo zavatra nisongadina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-taona faha-193Manolotra topimaso mikasika ireo hafatra sasantsasany nampianarina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Fivoriana sabotsy maraina Gary E. StevensonNy tantaran’ny Paska lehibe indrindra notantaraina hatramin’izayMijoro ho vavolombelona momba ny maha-vavolombelona mahery vaika momba an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna sy mitaona ny hanaovana izany ho isan’ny fankalazantsika ny Paska ny Loholona Stevenson. Bonnie H. CordonAza mamery na oviana na oviana ny fahafahana hijoro ho vavolombelona momba an’i KristyMampianatra antsika ny Filoha Cordon mba hanatona kokoa an’i Kristy, handray tenivavolombelona momba Azy, sy hampivelatra fahazarana tsara ary hijoro ho vavolombelona momba Azy. Avy eo isika dia hanatona tsikelikely Azy sy tonga tahaka Azy kokoa. Carl B. CookManohy mandroso fotsiny—amim-pinoanaMampianatra antsika ny Loholona Cook fa afaka mandresy ny hakiviana isika ary mandray fitahiana lehibe raha toa ka manohy mandroso fotsiny—amim-pinoana an’i Jesoa Kristy. Gerrit W. GongFanompoanaMampianatra ny Loholona Gong fa ny fanompoana araka ny fomban’ny Mpamonjy dia hanampy antsika hifanakaiky sy ho tonga kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy. Quentin L. CookTafangona soa aman-tsara ao an-tokantranoMampianatra ny Loholona Cook fa ny Tompo dia manantena ireo izay nandray ny Filazantsarany mba hiezaka faingana ny ho tonga ohatra izay hanampy ny hafa hanatona an’ Andriamanitra. Allen D. HaynieMpaminany velona iray ho an’ny andro faranyMampianatra ny maha zava-dehibe ny manaraka tsy misy hatak’andro ny torohevitry ny mpaminany velona ny Loholona Haynie. Henry B. EyringMikatsaka fiadanan’ny tena manokanaMampianatra ny Filoha Eyring fa rehefa miaina ilay fanomezan’ny Mpamonjy fiadanana an’ny tena manokana isika, dia afaka manampy ny hafa hahita izany ary avy eo izy ireo afaka mampita izany hatrany hatrany. Fivoriana sabotsy tolakandro Dallin H. OaksFanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra AmbonyManolotra ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony mba hotohanana ny Filoha Oaks. Jared B. LarsonTatitra avy amin’ny Departemanta misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bolan’ny Fiangonana, taona 2022Manolotra ny tatitry ny Departemanta misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bolan’ny Fiangonana ho an’ny taona 2022 i Jared B. Larson. Dale G. RenlundMahazo ny herin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo fanekempihavananaMampianatra ny Loholona Renlund fa rehefa manatona an’i Kristy sy mifandray Aminy sy amin’ny Raintsika any An-danitra amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana isika, dia afaka ny ho voaova sy ho lasa atao tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy. Peter F. MeursAfaka manasitrana ahy Izy!Mampianatra ny fomba anavotan’i Jesoa Kristy antsika amin’ny fahotantsika sy anasitranany antsika amin’ny fijaliantsika rehetra ny Loholona Meurs. Randall K. BennettNy tsodranonao avy amin’ny patriarika, fitarihana avy amin’ny fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitraMampianatra ny Loholona Bennett fa ny tsodranon’ny patriarika dia manome fitarihana avy amin’ny fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra. Craig C. Christensen“Tsy mety hisy na inona na inona mahafinaritra sy mamy tokoa toy izay fifaliako izay”Mampianatra ny Loholona Christensen fa afaka mahazo ilay tena fifaliana isika amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny finoana an’i Jesoa Kristy. Evan A. SchmutzMatoky ny fotopampianaran’i KristyMampianatra momba ireo fitahiana izay tonga amintsika rehefa mitoky amin’ny fotopampianaran’i Kristy ny Loholona Schmutz. Benjamín De HoyosNy asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana—Asa iray sy mitovy ihanyMampianatra ny Loholona De Hoyos fa ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly dia ivon’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany. Dieter F. UchtdorfI Jesoa Kristy no herin’ireo ray aman-drenyMampianatra ny fomba anampian’i Jesoa Kristy an’ireo ray aman-dreny mba hanatanteraka ny andraikitra masin’izy ireo amin’ny fampianarana sy fikarakarana ny zanak’izy ireo ny Loholona Uchtdorf. Fivoriana sabotsy hariva Mark A. BraggFahatoniana tahaka ny an’i KristyManoro hevitra antsika ny Loholona Bragg mba hiezaka hanana fahatoniana tahaka ny an’i Kristy mba hanampiana antsika ao anatin’ireo fotoan-tsarotra sy hanampiana ny hafa amin’ny fomba tsaratsara kokoa ao anatin’ny olan’izy ireo ihany koa. Milton CamargoMifantoha amin’i Jesoa KristyMampahatsiahy ireo fitahiana avy amin’ny fianarana filazantsara mifototra ao an-tokantrano ny Rahalahy Camargo ary mampianatra fa i Kristy dia manampy antsika handresy ireo olana toy ny fahafatesana, fahotana ary fahalemena. K. Brett NattressVoavela tokoa ve ny heloko?Mampianatra ny Loholona Nattress fa afaka mahazo famelan-keloka daholo ny rehetra amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Juan A. UcedaMampianatra antsika hivavaka i Jesoa Kristy TompoMampianatra ny Loholona Uceda fa i Jesoa Kristy no Mpiandry Tsara ary afaka manaraka Azy sy ny fampianarany isika rehefa mifanompo amim-pitiavana. Fivoriana alahady maraina D. Todd ChristoffersonIray ao amin’i KristyMamariparitra ny fomba ahafahantsika mahatratra ny firaisan-kina na dia eo aza ireo fahasamihafantsika—dia amin’ny alalan’ny fanatonan’ny isam-batan’olona manokana an’i Jesoa Kristy izany ny Loholona Christofferson. Camille N. JohnsonI Jesoa Kristy no fanamaivananaMampianatra ny Filoha Johnson fa afaka miara-miasa amin’ny Mpamonjy isika mba hanolotra fanampiana ara-nofo sy ara-panahy ho an’ireo izay sahirana. Ulisses SoaresMpanara-dia an’ilay Andrian’ny FiadananaMampianatra momba ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay manampy antsika handala ny fiadanana sy ho lasa mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy ny Loholona Soares. Kazuhiko YamashitaRahoviana ianao no tokony handray ny tsodranon’ny patriarikaMamporisika ny mpikambana mba handray sy hamerina hijery ny tsodranon’ny patriarika izay mirakitra torohevitra ho an’ny tena manokana avy amin’ny Tompo ny Loholona Yamashita. Neil L. AndersenNifantoka tamin’io eritreritra momba an’i Jesoa Kristy io ny saikoMampianatra ny fomba ahafahantsika mahazo fitarihana avy any an-danitra sy hery avy any an-danitra rehefa mifikitra amin’i Jesoa Kristy sy ny sorompanavotany ny Loholona Andersen. Kevin R. DuncanFeon’ny fifaliana!Mampianatra ny Loholona Duncan fa hanamafy ny fijoroantsika ho vavolombelona sy hanampy antsika handray ny hery manasitran’ny Mpamonjy ny fitandroana ireo fanekempihavanana izay nataontsika tany amin’ny tempoly. Russell M. NelsonIlaina ny mpampihavanaManasa antsika ny Filoha Nelson mba handinika ny fontsika ary hanaisotra izay rehetra manakana antsika tsy ho mpampihavana, izay anjara asan’ireo tena mpianatr’i Jesoa Kristy—indrindra rehefa ao anatin’ny fisafotofotoana. Fivoriana alahady tolakandro Dallin H. OaksIreo fampianaran’i Jesoa KristyMizara soratra masina izay mirakitra ny tenin’i Jesoa Kristy ny Filoha Oaks. M. Russell BallardTsarovy izay zavatra manan-danja indrindraMampianatra momba ireo zavatra manan-danja indrindra ny Filoha Ballard ka tafiditra ao anatin’izany ireo fifandraisantsika, ireo bitsika ara-panahy voaraintsika ary ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Ronald A. RasbandHosana ho an’ Andriamanitra Avo IndrindraMampianatra ny Loholona Rasband fa ny fidiran’i Jesoa Kristy tamim-pandresena tao Jerosalema sy ireo zava-nitranga tamin’ny herinandro nanaraka izany dia maneho fotopampianarana azontsika ampiharina eo amin’ny fiainantsika ankehitriny. Vern P. StanfillIlay fijinjana tsy tonga lafatraNampianatra ny maha samy hafa ny manenjika ny fanaperana araka izao tontolo izao sy ny ho tonga tanteraka ao amin’i Kristy ny Loholona Stanfill. W. Mark BassettAorian’ny andro fahaefatraMampianatra ny Loholona Bassett fa rehefa mitandrina ireo didy sy manao izay rehetra azontsika atao isika dia hanatanteraka fahagagana eo amin’ny fiainantsika i Jesoa Kristy. Ahmad S. CorbittFantatrao ve ny antony inoako an’i Kristy amin’ny maha-Kristianina ahy?Mampianatra momba ny drafitry ny famonjena sy ny fotopampianaran’i Kristy ary ny maha zava-dehibe ny fizarana ireo fahamarinana ireo amin’ny hafa ny Loholona Corbitt. David A. Bednar“Tomoera ato Amiko ary Izaho ao aminao; koa miaraha-mandeha Amiko”Mampianatra ny Loholona Bednar fa rehefa mitoetra ao amin’ny Mpamonjy isika dia hitoetra ao amintsika Izy ary ho voatahy isika. Russell M. NelsonI Jesoa Kristy mandrakariva no valinyMijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Filoha Nelson ary manambara ireo toerana hanorenana tempoly vaovao. Manampahefana Ambony sy Mpiandraikitra Ambony ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro FaranyTabilao ahitana ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana. Tatitra momba ny antontan’isa ho an’ny taona 2022Tatitra momba ny antontan’isa an’ny Fiangonana ho an’ny taona 2022 Antso vaovao Loholona Ahmad S. CorbittTantaram-piainana fohy momba ny Loholona Ahmad S. Corbitt, izay notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2023. Loholona Robert M. DainesTantaram-piainana fohy momba ny Loholona Robert M. Daines, izay notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2023. Loholona J. Kimo EsplinTantaram-piainana fohy momba ny Loholona J. Kimo Esplin, izay notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2023. Loholona Christophe G. Giraud-CarrierTantaram-piainana fohy momba ny Loholona Christophe G. Giraud-Carrier, izay notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2023. Loholona Alan T. PhillipsTantaram-piainana fohy momba ny Loholona Alan T. Phillips, izay notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2023. Filoha Emily Belle FreemanTantaram-piainana fohy momba ny Filoha Emiy Belle Freeman, izay notohanana ho Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany tamin’ny aprily 2023. Rahavavy Tamara W. RuniaTantaram-piainana fohy momba ny Rahavavy Tamara W. Runia, izay notohanana ho Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany tamin’ny aprily 2023. Rahavavy Andrea Muñoz SpannausTantaram-piainana fohy momba ny Rahavavy Andrea Muñoz Spannaus, izay notohanana ho Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany tamin’ny aprily 2023. Rahalahy Bradley R. WilcoxTantaram-piainana fohy momba ny Rahalahy Bradley R. Wilcox, izay notohanana ho Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany tamin’ny aprily 2023. Rahalahy Michael T. NelsonTantaram-piainana fohy momba ny Rahalahy Michael T. Nelson, izay notohanana ho Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany tamin’ny aprily 2023. Vaovaom-piangonana Topimaso amin’ireo dimy taona nanompoan’ny Filoha Russell M. Nelson amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana azyTopimaso amin’ny asa fanompoan’ny Filoha Nelson amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana azy nandritra ireo dimy taona lasa. Mitohy ny asa fanompoana ataon’ireo Apôstôly maneran-tanyTopimaso momba ireo dia sy zavatra nataon’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana vao haingana. Nitsidika an’i Afrika ny Filoha Johnson sy ny Filoha CordonTopimaso mikasika ny fitsidihana nataon’ny Filoha Johnson sy ny Filoha Cordon tany Afrika. Tatitra 2022: Mikarakara ireo izay mila fanampianaTopimaso momba ireo ezaka nataon’ny Fiangonana mba hanomezana fanampiana olona nandritra ny 2022. Nanambara fanorenana tempoly vaovao miisa 15 ny mpaminanyTopimaso momba ny fitohizan’ny asa fanorenana sy ny fanokanana tempoly vaovao. Mpihira avy amin’ny firenena maneran-tany niara-nihira tamin’ny Amboaram-peon’ny Tabernakely nandritra ny fihaonambeNisy mpandray anjara monina any ivelan’i États-Unis niara-nihira tamin’ny Amboaram-peon’ny Taberanakely avy ao Temple Square nandritra ilay fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany teo. Mampianatra sy mianatra ary mampihatra ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany